politique

PRAIMINISTRA OLIVIER MAHAFALY SOLONANDRASANA: Nametra-pialana


« Tonga ny fotoana hanampahako hevitra amin’ny maha olompirenena tomponandraikitra ahy ». Taorian’ny didy navoakan’ny HCC handravonana izao krizy mahazo ny firenena izao, nametra-pialana androany 04 Jona 2018 ny praiministra Olivier Mahafaly Solonandrasana. Fotoana nanehoany amin’ny Malagasy sy izao tontolo izao fa olom-panjakana sady mitazona ny teny nomeny izy. Nanaiky ankitsi-po no nandraisany ny fanapahan-kevitra izao satria mitondra vahaolana hatrany izy ho an’ny firenena. Hatolony an’ny filohan’ny repoblika androany ihany ny taratasy fametraha-pialany. Tsy maintsy atao ihany koa izao mba ahafahan’ny filohampirenena misafidy ny praiministra iraisana. Nitory hatrany ny firaisan-kina ny samy Malagasy sy ny fihavanam-pirenena hatrany izy. Niezaka ihany koa izy nanatona tamin’ireo izay tsy nitovy firehan-kevitra taminy ary niara-niasa mihitsy aza. Tsy nanenina tamin’ny vitany rehetra izy.
Nisaotra ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ary ireo olom-boafidy rehetra manerana an’i Madagasikara izy tamin’ny fiaraha-miasa ary fahatokisany azy. Tsy adinony ny nisaotra ny lehiben’ny faritra rehetra, ny sendika rehetra ary ireo mpiasam-panjakana. Nisaorany manokana ihany koa ny vahoaka Malagasy rehetra. Nomarihany fa roa taona sy roa volana no nitondrany ny governemanta.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *