Edito

Potehin’ny mpanao politika dinôzôro ny CSANR.


Mahazatra ny maheno ny fizarazaran’ny antoko , ny fikambanana…sy ny maro hafa. Tsy takon’afenina ny fizaran’ny MAPAR izay lasa telo be izao. Misy amin’ireo mpanao politika sasany ao amin’ity MAPAR ity dia mieboebo eran’ny tanana mihitsy. Ny mpanao politika no mana-talenta amin’ny fanaovana izany fizarazarana izany. Noho ny tombontsoa manokana angamba ? mety ho fankahalana tsotra izao koa ? nefa mety ho te mba ho lohany angamba ?. Anisany tratran’io aretina mikiky amin’ny mpanao politika io ihany koa ny CSANR  na ny Komity Mpanohana an’i Andry Nirina Rajoelina ankehitriny na dia tsy antoko politika aza. Nizara roa ihany koa ity komity ity? Fa inona no nitranga ? Lasa voatery natao fitantanana « collégiale » mihitsy izany ankehitriny noho ny fizarany roa io. Mpanao politika dinôzôro no mitantana an’ io amin’izao fotoana izao. Hamotika an’i Andry RAJOELINA anefa ny fisian’ireo mpanao politika efa galifantsy amin’ny fitiavan-tena sy be fialonana ny namany hafa ireo. Soa ihany fa ny antoko TGV tsy mbola nizara ka tsy mbola tara ny filohan’ny tetezamita teo aloha ity hisafidy ny olona hiarahana miasa amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *