Socio-eco

PORTE BONHEUR : Asa sosialy teny amin’ny Akany fitaizana beantitra eny Ambodivondava no nanamarihan’ny fikambanana ny 8 martsa


Tsy toy ny mahazatra no nanamarihan’ny   fikambanana Porte Bonheur ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tamin’ity taona 2023 ity.  Nankalaza ny 8 martsa tamin’ny alalan’ny  fanolorana ho an’ireo beantitra vavy sy lahy vatsy  teny amin’ny Akany mikarakara beantitra eto Madagasikara (FI.MI.BEA.MA) eny Ambodivondava Alasora ireo vehivavy mpikambana. Harona miloko maitso sy mena, misy botofotsy miampy ody ambavafo toy ny  fromage, biscuit, vatomamy no natolotra ireo beantitra. Tsy adinon’ny fikambanana ihany koa ireo mpitaiza sy mpikarakara ireo beantitra fa nomena sôkôlà sy fitaovana fampiasa toy ny kahie, penina, pensiliazo. Nahatratra 36 ny isan’ireo mpisitraka nahazo fanomezana avy amin’ireto reny malala-tanana avy ao amin’ny kaominina Alasora ireto.  « Misaotra ry zanako isany. Zanaka maha te ho tia ianareo, maha te hanana ianareo. Misaotra nahatsiaro anay », hoy ny solontenan’ireo beantitra nisaotra ny fikambanana Porte Bonheur. Talohan’ny nandehanan’ny mpikambana teny amin’ny FI.MI.BEA.MA Ambodivondava dia nitsidika ny Filohan’ny Porte Bonheur sady vadin’ny Ben’ny Tanàna Alasora, Randriantsoa Mireille ny mpikambana. « Na dia anaty convalescence aza ny tenany dia mahatsiaro sy miombom-po amin’ny vehivavy manerantany sy ny mpiray tanindrazana ary ny mponina Alasora nohon’ity andro natokana ho an’ny vehivavy ity », araka ny tatitra nataon’ireo mpikambana.

Vehivavy sy ny fampandrosoana  ny firenena

 Nampita hafatra ihany koa Randriantsoa Mireille, Filohan’ny Porte Bonheur  fa zava-dehibe loatra ny andraikitra baben’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina. Tsy tambo isaina  hoy izy ny tsindry hazo lena sy ny fanararaotana amin’ny endriny maro mianjady amin’izy ireo. Manginy fotsiny fanaovana azy tsinontsinona sy herisetra atao amin’izy ireo. Nambarany  fa ny fikambanana tarihiny dia manameloka ny herisetra rehetra atao amin’ny vehivavy ary miady ny hanamafisana ireo lalàna miaro ny vehivavy mba hananany saina tony hiatrehana ireo andraikitra maro be sahaniny ao an-tokatrano, eo amin’ny fiarahamonina ary amin’ny fampandrosoana ny firenena. « Tsarovy fa ny vehivavy milamin-tsaina na misedra olana aza dia mitraka sy mavitrika hatrany eo ampahatratrarana ny tanjona. Raha tiantsika handroso ny firenena, omeo andraikitra ny vehivavy ary omeo sehatra malalaka izy ahafahany maneho hevitra sy mivelatra misimisy kokoa hatrany », hoy ny hafatra nomeny ho an’ny tomponandraikitra  rehetra voakasik’izany. Mikarakara hetsika foana ity fikambanana ity isakin’ny 8 martsa. Fivoriana ialohavana fotoam-pivavahana ary faranana amin’ny fizarana vatsy no natao talohan’ity taona 2023 ity.

Lynda A.

Sary:

Horonan-tsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *