Socio-eco

PROJET 930: Mampihena ny taham-pahavoazana vokatry ny loza voajanahary


Ain’olona maro voavonjy, mihena ny fahavoazana ara-materialy. Io no zava-kendren’ny  “projet 930”. Nampahafantarina ny  zoma 30 aogositra 2019 ity tetikasa iarahan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC (Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza), ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro, ny ONG Medair, vondrona eraopeanina ary ireo sehatra tsy miankina maro tsy voatanisa ity. Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa avy ao amin’ny Medair, Cyril Eicher fa mora kokoa ny misoroka toy izay mitsabo ka izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa 930 mba hamonjena ain’olona maro sy hampihenana ny fahavoazana ara-materialy rehefa vanim-potoanan’ny loza voajanahary. Ao anatin’ny andraikitry ny Medair rahateo ny fanalefahana ny fahorian’ny mponina miaina amin’ny toerana ianjadian’ny loza voajanahary isan-taona.

Araka ny fanazavany hatrany, tetikasa andrana ihany izy ity ary anatin’ny roa taona no hanatanterahana azy.  Amin’ny maha faritra handalovan’ny loza-voajanahary indrindra ny rivo-doza sy tondran-drano  an’i Diana dia ny distrikan’i Ambanja no hanombohana azy. Hodinihana ny hanaparitahana ny tetikasa manerana ny faritra, hoy hatrany izy. Raha ny fanampim- panazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC,  Kolonely Elack Olivier Andriakaja fa ho apetraka ny laharana maitso 930 mba ahafahan’ireo manam-pahefana any an-toerana mampilaza vaovao  an’ny BNGRC amin’ny fotoana rehetra sy hanomezan’ity sampandraharaham-panjakana ity toromarika mba hiomanan’ny mponina. Raha ny zava-misy hoy izy dia rehefa misy loza voajanahary ambaran’ny “météo” dia ny BNGRC no midina any amin’ilay toerana mampandre, fa amin’ity laharana maitso ity ry zareo avy any an-toerana no mampandre ny zava-misy aty aminay ary manome toromarika izahay avy eo. Ankoatra ny  fampiasana ny teknolojia  kirakiraina amin’ny finday dia hisy ny ivon-toerana miisa roa hamantarana ny toetr’andro, hanampiana “météo” malagasy mba hahazoana antontam-baovao manakaiky ny marina  momba ny toetr’andro sy fampiofanana ireo manam-pahefana eny anivon’ny distrika sy ny kaominina ny tokony atao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *