Andiany faha-15 ny POESAM tamin’ity taona 2025 ity izay nanasongadina indray ny fahaiza-mamorona sy ny fahasahian’ny tanora malagasy amin’ny famolavolana vahaolana maharitra sy manampy ny fiarahamonina. Ny tetikasa Mitao Forecast Africa no nahazo ny loka voalohany, tamin’ny sehatra nasionaly.
Ireo tetikasa nahazo loka tamin’ny POESAM 2025
1er Prix : Mitao Forecast Africa
Tetikasa mampifandray ny teknolojia amin’ny vinavina ara-tontolo iainana, manampy amin’ny faminaniana sy fisorohana ny loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro, sady miaro ny fiarahamonina.
➡ Loka: 10 000 000 Ar, flybox iray, taona iray amin’ny internet illimité ary fanohanana manokana avy amin’ny Orange Fab.
2e Prix : Rano’O by Omnitech
Fanavaozana mikendry ny hanamora ny fidirana amin’ny rano fisotro madio — singa fototra amin’ny fahasalamana sy ny fampandrosoana.
➡ Loka: 8 000 000 Ar, finday 4G iray ary fanohanana Orange Fab.
3e Prix : Plastikôo
Tetikasa miady amin’ny fandotoana plastika amin’ny alalan’ny fanodinana ireo fako ho lasa vokatra mahasoa ho fiarovana ny tontolo iainana.
➡ Loka: 4 000 000 Ar, finday 4G iray ary fanohanana Orange Fab.
Prix Féminin : Rano’O by Omnitech
Nahazo loka indroa i Rano’O, tantanin’ny vehivavy mpandraharaha iray manampahaizana, porofo fa manana toerana lehibe ny vehivavy amin’ireo rohivoary eto Madagasikara.
➡ Loka: 8 000 000 Ar, flybox iray, taona iray amin’ny internet illimité ary fanohanana Orange Fab.
POESAM, mihoatra noho ny fifaninanana tsotra
Isan-taona, ny POESAM dia manasongadina ireo tanora sy mpandraharaha mikirakira ny nomerika ho fototra fanovana ny fiarahamonina.
Amin’ity andiany 2025 ity, tetikasa malagasy roa — Mitao Forecast Africa sy Rano’O by Omnitech — no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny famaranana iraisam-pirenena, niaraka tamin’ireo hevitra sy vahaolana miavaka avy amin’ny kaontinanta sy Moyen-Orient.
Ny fifaninanana POESAM dia misokatra ho an’ny mpianatra, mpiasa ary mpandraharaha mihoatra ny 21 taona, ary manampy amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ny filàn’ny vahoaka andavanandro.
Ny Prix Féminin kosa dia maneho ny fanoloran-tenan’i Orange amin’ny fitovian-jo sy ny fampandrosoana mitovy.
Teto Madagasikara, 163 amin’ireo 251 tetikasa natolotra tamin’ity taona ity dia notarihin’ny vehivavy.
Fiantraikan’ny POESAM eto Madagasikara
Nandritra ny 15 taona, efa 14 800 mahery ireo mpifanina voaray teto Madagasikara. Mariky ny herin’ny tontolon’ny fandraharahana nomerika eto an-toerana izany. Efa mpandresy 60 mahery no nahazo loka ara-bola, ary 100 mahery hafa kosa nahazo fanohanana sy fanofanana avy amin’i Orange Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
“Aminay ao amin’ny Orange, mino izahay fa ny nomerika, rehefa ampiarahina amin’ny herin’ny hevitra sy ny tanoran’ny Malagasy, dia manokatra lalana ho amin’ny hoavy mamiratra kokoa. Ireo tetikasa nandresy androany dia maneho ny fahasahiana, ny famoronana ary ny firaisankina manokatra endrika vaovao ho an’i Madagasikara,” hoy Maroniaina Rakotomanana, DRH sy solontenan’ny Talen’ny Fitantanana ankapoben’i Orange Madagascar.
Orange sy ny fanohanana ny tanora mpandray andraikitra
Ankoatra ny POESAM, Orange Madagascar dia manohana mivantana ny tanora niala an-tsekoly sy ireo te hiditra amin’ny fandraharahana. Amin’ny alalan’ny Orange Digital Center sy ny FabLabs Solidaires, manome fanofanana, fitaovana ary torolalana ho an’ny tanora ny orinasa, mba hahafahany manova ny heviny ho lasa tetikasa manavao sy maharitra.
Tamin’ny alalan’ny POESAM 2025, nanaporofo indray i Madagasikara fa manan-kery sy fahasahiana amin’ny fanavaozana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha, mitondra fanantenana ho amin’ny fiarahamonina maitso sy mandroso.
Ra-Nirina


