Socio-eco

PADDI: Ampifandanjana ny fiarovana ny faritra arovana sy ny fampandrosoana


Natao ny 4 ka hatramin’ny 9 Aogositra 2025 tany Ampefy ny fanofanana  mpanao gazety miisa folo, avy amin’ny haino aman-jery samihafa ho lasa « agent de changement ». Ity fiofanana ity dia niompana tamin’ny tanjona sy ny momba ny PADDI (Programme d’Appui au Développement Durable et Intégré), tohanan’ny BMZ sy ny Vondrona Eoropeana,  tarihin’ny GIZ ary ny MEDD izay mikendry ny hampihena ny tsindry amin’ireo ala voaaro amin’ny alalan’ny fitantanana ny tolotra ara-tontolo iainana, fitantanana voajanahary eny ifotony sy fandraisan’anjaran’ny mponina ary fanatsarana ny fambolena sy fiompiana amin’ny fomba maharitra.

Natao ny fiofanana mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny andraikitry ny mpanao gazety eo amin’ny fanentanana ny fiarahamonina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ireo mpandray anjara dia ho lasa « agent de changement » na mpitarika fiovana, izay rohy lehibe eo amin’ny fifandraisana amin’ny vahoaka momba ny olan’ny fahapotehan-tontolo iainana sy ny vahaolana azo raisina.

Ny PADDI, mikendry ny hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fiarovana ny faritra arovana sy ny fampiharana fomba fivelomana maharitra. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety, kendrena ny hahatonga ny vaovao sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho mora azon’ny rehetra, ary hahafahan’ny fiarahamonina mihetsika ho amin’ny fiovana.

Tsy vita amin’ny fepetra ara-teknika sy politika ihany ny fiarovana ny harena voajanahary, fa ilaina koa ny fanovàna toe-tsaina sy fomba fijery. Izany indrindra no andraikitry ny mpanao gazety, izay lasa mpitondra hafatra sy mpanentana eo amin’ny vahoaka.

Marihina fa any amin’ny faritra Boeny sy Diana no ampiarina ny tetikasa PADDI, indrindra amin’ny manodidina an’i Montagne d’Ambre, Ankarana, Analamerana ary Ankarafantsika. Kendrena ihany koa ny hanitatra izany any  Marolambo, Midongy du Sud ary Andohaela.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *