Socio-eco

ORINASA TOMPONANDRAIKITRA : Nitohy tany Manakara ny fanohanana ataon’ny Airtel amin’ny lafiny fanabeazana


Nitondra fanampiana sy fankaherezana tany  Manakara ny ekipan’ny Airtel Madagascar taorian’ny  hetsika tany Morondava. Mpianatra tao amin’ny EPP Tanakidy Manakara indray no nozarain’ny orinasa fitaovam-pianarana ny  18 oktobra 2022. Ireo mpianatra telo mendrika isakin’ny kilasy no nahazo izany. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo  mpampianatra.  Ordinateur  iray,  routeur  miaraka amin’ny 50 Go  azo ampiasaina hatramin’ny  faran’ny taom-pianarana , kitapo miisa 48, penina 50 isa, trousses  20 isa, kahie 125 ary  T-shirts 44 isa sy carte SIM  ho an’ny mpandraharaha no nentin’ny ekipan’ny Airtel ho an’ny EPP Tanakidy. « Ao anatin’ny politika momba ny fandraisan’andraikitrin’ny orinasa amin’ny lafiny sosialy ny hetsika tahaka izao mba ahafahan’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana  mahazo fitaovana sy hampitoviana ny ankizy rehetra mba hahomby sy afaka misitraka fampandrosoana tena izy », hoy i Eddy Kapuku, Tale Jeneralin’ny Airtel eto Madagasikara.  Nohamafisiny tamin’io fotoana io fa ny fihetsika tahaka izao dia manana tanjona mazava : « ny hanamaivanana  ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fividianana fitaovam-pianarana ». Mifanindran-dalana amin’ny  soatoavina  napetrakin’ny orinasa : mahery  fo amin’ny fananatanterahana ny andraikitrany, firaisankina ho an’ny fiarahamonina Malagasy, ny fanajana ny mpampianatra  izay mpisehatra  lakilen’ny fampandrosoana  ny fanantaterahana  ity hetsika ho an’ny fanabeazana ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *