Socio-eco

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022: Afaka mandray anjara ny tanora Malagasy


Hahazo fanampiana ara-bola sy ara-teknika. Voalohany ho an’i Madagasikara ny fandraisana anjara amin’ny Orange Summer Challenge 2022. Fandaharan’asa manana endrika fifaninanana sy manome fiofanana mandritra telo volana ahafahana manangana orinasa miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia karakarain’ny Orange nandritra 12 taona ny Orange Summer Challenge. Ny Orange Digital Center eny Ankorondrano kosa no mandray an-tanana ny fikarakarana ho an’ny eto Madagasikara. Efa nanomboka tamin’ny 15 mey 2022 ny fisoratana anarana ary tsy hifarana raha tsy ny 20 jona 2022. Misokatra ho an’ireo mpianatra na efa manana diplaoma amin’ny sehatra isan-karazany toy ny « développement web et mobile, UX/UI design, ingénieur électronique, design industriel, intelligence artificielle, big data, data science et systèmes embarqués » ny fifaninanana. Ho hampivondronana anaty ekipa ireo kandida voaray, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny Orange Digital Center Ankorondrano, Rakotomiarinjato Manohisoa Andrianina. Ekipa efatra (04) no atsangana amin’izany ary hiaraka hikaon-doha hamolavola tetikasa ny ekipa tsirairay. Hahazo tosika avy amin’ny Orange Digital Center momba ny « Tech4Good », famolavolana tetikasa, fandrafetana drafitr’asa izy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny Google sy EY (ex-Ernst & Young) ny Orange Digital Center ka hahazo tohana ara-teknika, ara-pitaovana, ara-olona ireo ekipa ireo mba ahafahan’izy ireo manatontosa ny tetikasa sy mandray anjara amin’ny fifaninanana. Fantatra fa hanomboka ny 1 jolay 2022 ny fifaninanana amin’ireo firenena sivy mandray anjara amin’ny Orange Summer Challenge : Tunisie, Maroc, Jordanie, Côte d’Ivoire, Sénégal, Cameroun, Mali, la Sierra Leone ary i Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany dia hanolotra vola mitentina1000 euros ho an’ireo tetikasa efatra isaky firenena ny EY. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray dia hisafidy tetikasa « coup de coeur » miisa dimy (05) amin’ireo tetikasa 40 mifaninana ny Google.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *