Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Mitohy ny fananganana « village orange »


« Village orange » faha 27 ny eny amin’ny kaominin’ambanivohitry i Masindray. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 11 jona 2021 ireo fotodrafitr’asa mandrafitra ity « Village orange » eny Masindray ity. Vita tamin’izany ny fanavaozana ny sekoly fanabeazana fototra (EPP), ny fanamboarana tambohon’ny sekoly, « chalet » hialokalofan’ny mpianatra, nametrahana zaridaina, nasiana fitoeran-drano sy  toerana fanasana tanana ary paompy fatsakana. Ao anatin’ny « Village orange »  ny fanampiana ataon’ny orange solidarité ho fampitaovana ireo toerana mikarakara ny reny sy zaza. Noho izany dia nasiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ny toera-pitsaboana Centre de Santé de Base de niveau 1 (CSB I) ary ny Centre de Santé de Base de niveau 2 (CSB II) kosa dia nofenoina fitaovana isan-karazany.

Hevitra avy amin’ny ONG Taratra no nahafahana nanao izao asa izao fa ny orange solidarité Madagascar no nanantanteraka ny asa ho fanampiana ny mpiara-belona sy ny vehivavy. Tsy adino noho izany ny ONG Taratra fa nananganana trano nomerika ho an’ny vehivavy izay any Anjozorobe.

Marihana fa tonga nanolotra izao zava-bita izao ny filohan’ny orange solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma, ny ben’ny tanàn’i Masindray, Stela Marius Andrianomenjanahary, filohan’ny ONG Taratra, ny solotenan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny fanabeazam- pirenena ary ireo tomponandraikitra isan-karazany eny an-toerana.

Ra-Nirina


One comment on “ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Mitohy ny fananganana « village orange »

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Mitohy ny fananganana « village orange » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *