Kômôriana 200.000 isa no mivezivezy sy monina eto Madagasikara amin’izao fotoana raha ny tarehimarika nomen’ny tale ara-barotry ny Orange Money eto Madagasikara, Tovomanitra Rakoto. Misy amin’izy ireny no mianatra, miasa ary mitsabo tena. Ho fanamorà na ny fandefasana vola avy any Comores manketo amintsika na mifanohitra amin’izay dia teraka ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange Money sy ny Banque de Développement des Comores (BDC). Notontosaina ny 26 oktobra 2019 teny Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny roa tonta. Nanatrika izany ny tale jeneralin’ny BDC, Atta Gervais sy ny tale jeneralin’ny Orange Money Madagascar Gelebart Erwan.
Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana fa afaka mandefa vola, aty Madagasikara, amin’ny fotoana rehetra ny mpanjifa mampiasa ny Holo ary mirotsaka avy hatrany ao anaty kaonty Orange Money izany. Araka ny fanazavana hatrany dia fitaovana fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday (mobile banking) an’ny BDC ny Holo. Ampiasaina izy ity handefasana vola, handrotsahana na handraisana karama, handoavana faktiora, hividianana fahana… Nambaran’ny tale jeneralin’ny BDC fa ho mora lavitra mihoatra ny fomba hafa ampiasaina ny sarany fandefasana vola amin’ny alalan’ny Holo mankaty Madagasikara. Hiara-hiasa akaiky ny roa tonta mba hahatonga ity filan-draharaha ity ho azo ampiasaina alohan’ny taona 2019.
Lynda A.
Fa manino kay vola efa nalefan’ilay olona efa ho 48 mahery Mbola ts avokanareo? Efa aty Mada le vola fa le orange ny olana hoy ilay agence any ivelany