Socio-eco

ORANGE MONEY- BAOBAB BANQUE MADAGASCAR: Tsotra ny findramam-bola sy fitahirizina vola amin’ny alalan’ny M-Baobab


Miha mora hatrany ny  fomba fitahirizana vola sy findramam-bola.  Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange Money sy ny Baobab Banque Madagascar  dia niforona ny tolotra M-Baobab.  Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 08 Martsa 2022 teny Ambodivona io tolotra vaovao iarahan’ny roa tonta miasa io. Raha ny fantatra dia tolotra ahafahana mitahiry vola sy mindram-bola amin’ny alalan’ny finday ny M-Baobab. Ao anatin’ny 60 andro ny famerenam-bola. Tsotra, mora ny fampiasana tolotra satria tsy misy antontan-taratasy ilaina. Mila manana kaonty Orange Money fotsiny raha te hisitraka ny tolotra. Rehefa te hitahiry na hindram-bola dia miditra ao amin’ny “menu Orange Money” ary manindry ny  144#, avy eo  4) ary mbola manindry  4) indray.

Ho fanamorana ny ny fikirakirana vola eto Madagasikara sy ahafahan’ny rehetra mitahiry vola ho fitsinjovana ny ho avy, mindram-bola ho ampiasaina na hiatrehana ny tampoka ity tolotra ity. Azo antoka, afaka ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ary amin’ny fomba tsotra ny fikirakirana ny tahiry. 3 % ny tahan’ny zana-bola ho an’ny kaonty tahiry. Afaka mindram-bola manomboka amin’ny 1.000 Ariary ka hatramin’ny 500.000 Ariary kosa ireo misafidy ny hindram-bola amin’ny alalan’ny M-Baobab. 10 % ny tahan’ny zana-bola amin’izany. Noho ny fisian’ireo cash point Orange Money miisa 15.000 manerana an’i Madagasiakra dia afaka misitraka ny tolotra M-Baobab ireo olona mipetraka any amin’ny toerana lavitr’andriana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *