Socio-eco

ORANGE: Mitsinjo ny fahasalaman’ny mpiasa


Mandroso ny orinasa rehefa salama ny mpiasa ao aminy. Resy lahatra amin’izany ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagasikara  ka ao anatin’ny taona iray dia manokana andro hanaraha-maso ny fahasalaman’ny mpiasa ao aminy. Mpiasa 450 no afaka nanao fitiliana momba ny diabeta, ny  tosi-drà ary tsimokaretina VIH/SIDA, nanome rà nandritra ny tontolo andron’ny 28 jona 2019, teo amin’ny tokontany malalaky ny Tour Ankorondrano. Nahazo vaksiny fanefitry ny gripa sy ny “hépatite B” ihany koa izy ireo tamin’io fotoana io. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny fikambanana miady amin’ny herisetra C For C ka nampahafantatra ny  mpiasa ny endriky ny herisetra eny amin’ny tontolon’ny asa sy ny tokony atao.

Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia zava-baovao tamin’ity andiany ity ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana sy ny fiantohana ny mpiasa, Robson Liva fa laharam-pamehana ho an’ny orinasa Orange Madagasikara ny fahasalaman’ny mpiasa satria anisany miantoka kalitao asa. Ao anatin’ny politikam-pitantanana ny mpiasa sy ny fanatanterahana ny fifanarahana nosoniavina niaraka tamin’ny Orange Group ihany koa ity hetsika ity.

Ankoatra izany, nanamarika  ny andro natokana ho an’ny fahasalamana sy ny fiantohana ny fifaninanana mandihy nataon’ireo mpiasa ary ny fampisehoana an-kira nataon’ny antoko mpihira ao amin’ny Orange Madagasikara.

Nirina R.


One comment on “ORANGE: Mitsinjo ny fahasalaman’ny mpiasa

  1. Pingback: ORANGE: Mitsinjo ny fahasalaman’ny mpiasa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *