Socio-eco

ORANGE: Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny mpiara-belona


Zava-dehibe ho an’ny orinasa ny fampiharana ny RSE na « Responsabilité sociale des entreprises ». Fomba iray hanehoana fa tsy mijanona amin’ny fampiroboroboana ny orinasa fotsiny ihany ny RSE. Izany indrindra no namoronana ny  salon de la Responsabilité sociale des entreprises et des initiatives pour le Développement Durable (RSE-IDD) ho fandresena lahatra ny orinasa eto Madagasikara mba Fandresena lahatra ireo orinasa handray anjara amin’ny fanampiana ny maha olona sy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nanomboka omaly 3 jolay ary hifarana androany 4 jolay 2019 eny amin’ny « The Station » Soarano, Café de La Gare teo aloha ny Salon RSE-IDD, andiany fahaefatra.

Mpanohana ity hetsika ity ny orinasam-pifandraisan-davitra, Orange Madagasikara.  Lohalaharana amin’ny orinasa ny fandraisana andraikitra amin’ny lafiny ara-tsosialy mba ho fanantanterahana ny politikan’ny fampandrosoana maharitra. Mampahafantatra ny fandaharan’asany amin’ny lafiny sosialy  eny amin’ny salon ny Orange ka anisan’izany ny fampivoarana ny fanabeazana nomerika amin’ny alalan’ny Orange School, ny fanajana ny  maha olona eny amin’ny tontolon’ny asa, ny fanampiana ny tanora mpandraharaha ary ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Nirina R.


One comment on “ORANGE: Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny mpiara-belona

  1. Pingback: ORANGE: Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny mpiara-belona - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *