Efa afaka manjifa ny “internet” haingam-pandeha ny mponina fa indrindra ireo mpandraharaha ao Mahajanga. Efa tonga ao an-toerana ny tolotra “Wifiber” an’ny Orange Madagasikara. Mandalo ao an-tampon-tanana amin’izao fotoana ny Tale Jeneralin’ny orinasa, Frédéric Debord sy ny ekipany manazava ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ity tolotra internet haingam-pandeha ity. Nihaona tamin’ny manam-pahefana sy ireo mpandraharaha ara-toekarena tao an-toerana izy ireo ny 28 febroary 2022. Fantatra tamin’izany fa misy ny tolotra ho an’ny orinasa. Wifiber Pro no anarany ary mety tsara ho an’ny fandraharahana. Internet haingam-pandeha tsy manam-petra, azo hanaovana antso sy handefasana someso (SMS) ity tolotra ity. Ho an’ny olon-tsotra dia hanampy azy ireo haka “fichiers en ligne” amin’ny fomba haingana sy hijery ny zava-misy amin’ny alalan’ny streaming amin’ny fomba miavaka ny Wifiber. Efa miparitaka manerana an’i Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Nosy Be, Antsirabe, Sambava ary Antsiranana ihany koa izany.
Tsiahivina fa seranan-tsambo faharoa an’i Madagasikara i Mahajanga, toerana mahasarika mpizahazantany ary manana ny tanjany ara-toekarena, arak’olona sy ara-kolontsaina. Anisany ahafantarana azy ihany koa ny sehatry ny jono. Fotoana iray nihainoana mivantana ny hetahetan’ireo mpandraharaha sy ireo manam-pahefana ao an-toerana ny fandalovan’ny ekipan’ny Orange tany an-toerana mba hanatsarana ireo sehatra ireo. Manakaiky bebe kokoa ny mpanjifa ny fihainoana azy ireo mba ahafahana mamaly ny filàn’izy ireo. Io no tanjon’ny orinasa Orange amin’izao fanaparihana internet haingam-pandeha izao. “Mihaino ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa izahay. Eto izahay hamaly ny hetahetan’izy ireo. Ny fametrahana foto-drafitrasam-pifandraisan-davitra, ny fanomezana fitaovana ilain’ny mponina sy ny mpandraharaha ao an-toerana dia manamafy fa manatanteraka ny andaikitray izahay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hanohy ny fanampiana an’i Mahajanga izahay amin’ny alalan’ny nomerika”, hoy i Frédéric Debord. Naverina notsiahivina tamin’io fotoana io ihany koa ny tolotra nahafantarana ny Orange hatramin’izay toy ny Orange Money izay manampy ny mponina amin’ny fikirakirana vola (mitahiry vola, maka vola, mandefa vola) sy amin’ny alalan’ny tolotra isan-karazany (m-kajy, Tahiry Be).
Ra-Nirina


