Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Nanolo-tanana ny Autisme Fédération Madagascar


Manana andraikitra amin’ny  fampitoviana zo amin’ny fampiasana ny nomerika ny orange Madagascar. Noho izany dia nisy ny fifanaovan-tsonia ho fiaraha-miasa eo amin’ny  Orange Solidarité Madagascar  sy  ny Autisme Fédération Madagascar (Au.Fé.M) teny Akorondrano ny 13 Jolay 2021. Ho fanampiana sy famatsiam-bola ny tetikasa « Action pour l’Autisme à Madagascar » no anton’ izao fifanaovan-tsonia izao, izay nosoniavin’ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar , Josie Randriambeloma sy Julien Razafindratsimba, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar. Hitondra manontolo ny fanohanana ny momba ity tetikasa ity ny orange solidarité Madagascar. Ireo fikambanana rehetra mivondrona ao amin’ny Au.Fé.M dia hisitraka izany tohana izany avokoa. Anisan’izany ny fampahafantarana ny « autisme » . Eo ihany koa ny famokarana torolalana ho an’ny Autisme.  Ny fanomezana fitaovana ho an’ity federasiona ity, toy ny  tablettes,  solosaina,  serveur Raspberry,  vidéoprojecteur,  casques, enceinte JBL…

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *