Nampahafantatra momba fametrahana fibre optique mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, Orange Madagascar, ny 1 desambra 2025. Lalana mirefy 558 km no nametrahana izany. Manamafy ny tambajotra nasionaly sy miantoka ny fiarovana ny fifandraisana ho an’ny olona an-tapitrisany ity fotodrafitr’asa ity.
Ny asa fananganana, izay natao nandritra ny valo volana sy niaraka tamin’ny olona 2 500, dia nifantoka tamin’ny fananganana fotodrafitrasa maharitra, natao mba hifanaraka amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina.
« Ity zava-bita ity dia manokatra lalana ho an’ny tolotra vaovao sy manamafy ny fanolorantena amin’ny fampivoarana an’i Madagasikara », hoy Aminata Ndiaye Niang, Tale Jeneralin’i Orange Madagascar.
Ity fibre vaovao ity dia manatsara ny kalitaon’ny serivisy, manomana ny fivoahana iraisam-pirenena amin’ny alalan’i Mahajanga, ary manokatra varavarana ho an’ny fampandrosoana nomerika eto Madagasikara.
Ra-Nirina


