Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Fihetsika feno firaisankina ho fanarenana ny tsenan’ny Sabotsy


Taorian’ny nahamay ny  tsenan’ny Sabotsy tao Antsirabe ny 21 jolay 2025, izay tsena lehibe indrindra amin’iny faritra iny dia nanome tolon-tanana sy nanamafy indray ny fandraisany andraikitra ny Orange Madagascar. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Orange Money sy Orange Solidarité Madagascar, dia nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina sy hanohanana ny fanarenana an’ilay tsena manan-tantara ny Orange. Noho izany dia nanome seky 50 tapitrisa ariary. Natolotra an’ny  tomponandraikitra ao an-toerana ho fanampiana ho fanarenana ny tsena. Natao tao amin’ny foibe i-Votika izany ny 28 jolay 2025  ho mariky ny fiaraha-miasan’ny Faritra Vakinankaratra sy ny Orange. Ity fanomezana ity dia tafiditra ao anatin’ny andraikitra ara-tsosialy raisin’ny orinasa. “Ny maha orinasa tompon’andraikitra dia tsy hoe rehefa milamina ihany, fa indrindra rehefa misy loza. Amin’ny fanohanana ny fanarenana ny tsenan’ny Sabotsy, dia tianay aseho amin’ny rehetra fa tsy avelanay irery ny olom-pirenena amin’ny fotoan-tsarotra. Ny firaisankina no fototry ny soatoavin’i Orange, ary izany no mitarika anay amin’ny asa rehetra eto Madagasikara,” hoy i Fabrice André, Tale Jeneralin’i Orange Madagascar. Marihana fa 3.500 ireo mpivarotra niharan’ny famaizana iny.

Fanentanana ho an’ny rehetra mandra-pahatongan’ny 31 aogositra 2025

Nanentana ny mpanjifany ihany koa ny Orange mba hanome fanampiana ho an’ireo niharamboina. Mandefa SMS misy ny teny hoe “TSENA SABOTSY” amin’ny laharana 032 32 008 75 ireo mpanjifan’ny Orange.  1 000 ariary ny sandan’io hafatra io ary azo alefa imbetsaka araka izay foinao. Ny vola rehetra voaangona dia hatolotra manontolo ho amin’ny fanarenana  tsena. Izao hetsika izao dia natao ho firaisankina, ary anjara birikin’ny tsirairay amin’ny fanarenana io tsena io

Ity fanampiana ity dia tafiditra amin’ireo hetsika efa fanaon’ny Fondation Orange tao Antsirabe, indrindra tamin’ny alalan’ny foibe i-Votika izay nanampy ny vehivavy, tanora, ary ireo mpisandratra amin’ny sehatry ny nomerika.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *