Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER – SMARTONE: Hampiofana tanora momba ny Intelligence Artificielle sy hanome asa ho azy ireo


Hahazo tombony ireo tanora manana ny diplaoma bakalorea ka tsy nahavita nanohy ny fianarana eny ambaratonga ambony. Voalohany eto Madagasikara no misy  fiarahamiasa ahafahana manome fiofanana ho an’ny tanora momba Intelligence Artificielle (IA) sy asa  ho azy ireo aorian’ny fiofanana. Io no vontoatin’ny fifanaram-piarahamiasa nosoniavin’ny Orange Digital Center (ODC) eto Madagasikara sy SmartOne ny zoma 10 jona 2022 tetsy amin’ny foiben’ny ODC Ankorondrano. Hifanome tanana ny roa tonta hanome fiofanana momba ny IA  ho an’ny tanora miisa 200 isan-taona. Isam-bolana dia tanora Malagasy miisa  30 no hahazo fiofanana mandritra ny 15 andro, herinandro ao amin’ny ODC ary herinandro ao amin’ny SmartOne. Ho raisin’ny SmartOne hiasa ao aminy momba ny sehatr’ asa manodidina  Intelligence Artificielle izy ireo aorian’ny fiofanana. « Manomboka amin’ny volana jolay 2022 ny fandraisana ireo tanora izay vonona hanaraka fiofanana. Miofana ao amin’ny ODC izy ireo ary mandray ireo olona voaofana hiditra amin’ny sehatry n’y asa ny SmartOne », hoy Rafiarenana Nathalie, tale misahana ny arak’olona ao amin’ny  SmartOne. Araka ny fanazavany dia fahaizamanao tsy ara-boanjanahary mampivoatra ny fomba fitondran-javatra mifanaraka amin’ny filàn’ny olombelona ny « Intelligence Artificielle ». Ankoatra ny IA dia anisan’ireo lohahevitra ho resahana mandritra ny fiofanana ny fototry ny nomerika, « Machine Learning », « programmation informatique » ary ny fitantanana tetikasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *