Manamafy ny fandraisan’andraikitra amin’ny fanampiana ny tanora hahay hifehy ny nomerika ny Orange Digital Center (ODC) sy SAYNA. Tontosa ny alarobia 14 septambra 2022 teny Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ireto ivon-toerana manamora ny fampiofanana ny tanora momba ny nomerika ireto. Miompana amin’ny sahan’asa roa ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta. Fampiofanana ny voalohany ary fanomezana asa ny faharoa. Hahazo fiofanana mianaraka amin’ny filàny sy ny fahafahany ireo tanora miofana amin’ireo ivon-toerana roa ireo. Raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord dia ivon-toerana mampivondrona ireo karazana fiofanana manomboka amin’ny fampiofanana momba ny nomerika mankany amin’ny fanosehana ireo tetikasa momba teknolojia ka hatrany amin’ny fanafainganana ny fanatanterahana izany ny Orange Digital Center. Amin’ny maha 100 % “en ligne” ny fiofanana omen’ny SAYNA dia afaka manitatra ny fampiroboroboana nomerika manerana an’i Madagasikara ny ODC. Nambaran’ny mpanorina sy mpitantana ny SAYNA, Razafimahefa Matina fa fianarana ho an’ny tanora malagasy momba “développeur numérique”, marketing, design i SAYNA. “En ligne” avokoa ny fampianarana momba ireo asa manodidina ny nomerika. Noho ny fiarahamiasa amin’ny ODC, “manome licence 30 ho an’ireo mpianatra avy ao amin’ny Orange Digital ny SAYNA”. Ankoatran’izany dia afaka miasa ao amin’ny SAYNA Work momba ny “micro-tâche informatique” ireo tanora malagasy miofana ao amin’ny ODC ka manao “validation de compétence” ary “mahazo vola”, hoy izy. Hihitatra manerana an’i Afrika amin’ny alalan’ny tambazotran’ny Orange Digital Center ity fiaharamiasa ity.
Ra-Nirina