Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER: Manome fiofanana maimaim-poana ny tanora sy ny vehivavy amin’ny lafiny nomerika


Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 10 martsa 2022 teny amin’ny Tour Redland Ankorondrano ny Orange Digital Center eto Madagasikara. Taorian’i Tunisie, Sénégal, Ethiopie, Mali, Côte d’Ivoire, Cameroun, Egypte ary Jordanie dia Orange Digital Center faha-10 eto amin’ny Afrika sy Moyen-Orient no natsangana eto amintsika. Fiarahamiasa eo amin’ny Orange sy ny firenena Alemana amin’ny alalan’ny tetikasa “develoPPP”, sahanin’ny GIZ no nahafahana nanangana izany. Ho fampiofanana ny tanora amin’ny sehatry ny nomerika sy ho fampanan’asa azy ireo ary ho fanamorana fahazoana asa amin’ny resaka TIC (technologies d’Information et de Communication) ho an’ny vehivavy sy zatovavy no tanjon’ny tetikasa. Nambaran’i Alioune Ndiaye, Filoha Tale Jeneralin’ny Orange eto Afrika sy Moeyn Orient fa ho fanampiana ny tanora, manana diplaoma na tsia amin’ny fisitrahana ny nomerika mba ahaizan’izy ireo mikirakira ny teknolojia, ho fanamorana ny fampanan’asa sy ho fanomanana ny ho avin’izy ireo no antony nanangana ny Orange Digital Center.

 Fandaharan’asa efatra (4) no hita ao amin’ity ivon-toerana ity toy ny “école de code”, ny “FabLab Solidaire”(ivon-toerana famoronana tetikasa nomerika), ny “Orange Fab” (fandaharan’asa manome tohana ireo tetikasa). Maimaim-poana avokoa ny fampiofanana ary natao hampiofanana ny tanora amin’ny lafiny nomerika (fampiharana avy hatrany ny 90 % ny fiofanana), hanohanana ireo tompona tetikasa sy fitadiavana famatsiam-bola ho azy ireo. Marihina fa ny 10 martsa 2022 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Orange Digital Center eto Madagasikara fa efa nanome fampiofanana marobe sy nampiantrano hetsika ara-nomerika ny ivon-toerana nanomboka ny 19 oktobra 2021. Raha ny fantatra dia ho tokonana tsy ho ela ihany koa ny Orange Digital Center Club eny amin’ny Oniversite Fianarantsoa sy Antsiranana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *