Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER CLUB AO FIANARANTSOA : Mpianatra sy tanora tsy mankany an-tsekoly intsony anarivony no hahazo fampiofanana momba ireo asa mifandraika amin’ny nomerika


Fiofanana maimaimpoana.  Miara-miasa amin’ny Oniversite Fianarantsoa ny Orange Digital Center (ODC) Madagascar mba ahafahan’ny rehetra mikirakira ny nomerika sy misitraka tombontsoa avy amin’izany. Ho fametrahana ny ODC ao Fianarantsoa dia tontosa ny 28 Aprily 2023 teny amin’ny foiben’ny ODC, Ankorondrano ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny  Profesora Hajalalaina Aimé Richard, Filohan’ny Oniversite Fianarantsoa sy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Ho fanamafisana ny andraikitra raisin’ny roa tonta amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy amin’ny lafiny nomerika ny fisian’ny ODC Club ao Fianarantsoa. Mpianatra sy tanora efa tsy mianatra an-tsekoly anarivony ao Matsiatra Ambony no hahazo tombontsoa amin’izany. Tsara ho fantatra fa ny volana oktobra 2021 no naorina teto Madagasikara ny Orange Digital Center, tamin’ny alalan’ny famatsiambolan’ny fiarahamiasa teknika amin’i Alemana (GIZ) sy vola madiodio an’ny Vondrona Orange. Ivon-toerana manome tantsoroka sy mampiroborobo ny fahaiza-manao momba nomerika ny ODC. Sahan’asa maro, fiofanana momba fananganana orinasa no ataony. Manome fiofanana, maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra momba ireo asa mifandraika amin’ny nomerika ny ivon-toerana-toerana. Afaka misitraka izany na ireo mpianatra, olona tsy an’asa na tsy mianatra intsony na ireo tanora mpandraharaha.

Ahitana « école de code », ivon-toerana momba teknolojia manome fiofanana sy atrikasa ao amin’ny  ODC Club Fianarantsoa. Hisy ihany koa ny « Fablab solidaire », toerana hanaovana famoronana momba ny nomerika, ahafahana manangana tetikasa. Hitaridalana ireo tompona tetikasa vao misandratra sy hanampy azy ireo hampivelatra ny fiarahamiasan’izy ireo ihany koa ny ODC Club. Fantatra fa mpiofana 1.900 no efa nahazo tombontsoa tao amin’ny ODC Madagasikara. Vehivavy ny 60 % tamin’izy ireo. 600 tamin’ireo mpisitrika no efa miasa. Tanjon’ny ODC rahateo ny fanatsarana ny fampanan’asan’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *