Socio-eco

OPERATION SMILE MADAGASCAR: Miato ny fandidiana fa mitohy kosa ny fikarakarana ireo marary


Fifanomezan-tanana amin’ny fiatrehana ny COVID-19. Nampahafantarina ny 01 mey 2020 teny amin’ny hopitaly HJRA (CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona) ny tetikasa “EXTRA S’MILE”, tanterahan’ny Opération Smile eto Madagasikara ho fandraisana anjara amin’ny fisorohana sy famongorana ity valanaretina miparitaka manerana an’izao tontolo izao ity. Mizara roa ny sahan’asa ka fampitaovana ireo hopitalim-panjakana ny voalohany. Teny amin’ny hopitaly HJRA Anosy no nanombohana ny fizarana ireo fitaovam-pitsaboana entina miaro amin’ny COVID-19 sy amin’ny otrikaretina toy ny arovava 500 isa, “gels hydroalcooliques” 100 litatra, “produits désinfectants”… Hitohy any amin’ireo hopitalim-panjakana miahy mivantana ireo mararin’ny coronavirus toy ny eny amin’ny Andohatapenaka sy ireo hopitalim-panjakana mpiara-miasa akaiky amin’ny Opération Smile (CHU Analakininina Toamasina, CHRR Vakinankaratra Antsirabe, CHU Professeur Zafisaona Gabriel Androva Mahajanga ny fizarana  ireo fitaovana ireo. “Noho ny krizy ara-pahasalamana dia tsy afaka mamory vahoaka, hanao fandidiana izahay. Mijoro kosa anefa  ny Opération Smile hifanome tanana amin’ireo hopitaly sy mpiasan’ny fahasalamana ary hanohana ireo marary satria ny sima dia sahirana amin’ny fisakafoanana indrindra ireo zaza”, hoy ny mpitantana ny  Opération Smile eto Madagasikara, Ramamonjisoa Mamy.

Sahan’asa faharoa ao anatin’ny “EXTRA S’MILE” ny fizarana vatsy ho an’ireo tra-pahasembanana eo amin’ny molotra sy ny ativava  ao anaty ankohonana “marefo”.  Araka ny fanazavan-dRamatoa Ramamonjisoa Mamy fa 330 izy ireo ary monina  eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa izay toerana ahitana ny trangan’aretina “coronavirus”. Natao tamin’io andro io ary teny amin’ny HJRA Anosy ihany ny fanolorana ny anjaran’ireo marary miisa 148 avy eto Antananarivo ka vary 25 kilao, menaka, savony, aro-vava sy ny maro hafa no azon’izy ireo. Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa efa mpiara-miasa efa ela ny ministera sy ny ONG Opération Smile amin’ny fikarakarana ireo tra-pahesembanana eo  amin’ny molotra sy ny ativava. Nanomboka tamin’ny taona 2007 dia Malagasy 3500 no vita fandidiana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *