Manana vina handidy maimaimpoana olona manana fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany 500 ny Operation Smile eto Madagasikara ny taona 2022. Mikarakara hetsika ho fanentanana sy fiantsoana tohana avy amin’ny mpiara-belona, ireo malala-tanana rehetra ny ONG hanatrarana io tanjona io. Ao anatin’ny hetsika “embellisons leur vie” dia ampirantiana eny amin’ny La City Ivandry (La city Art) ireo sary mirakitra ny lalana nodiavin’ny Operation Smile teto Madagasikara nandritra 14 taona. Sary nalain’i Henintsoa Rafalia maneho ny asa nataon’ny ONG manomboka any amin’ny fizaham-pahasalamana ireo ankizy sy olona manana fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany, ny fiovan’ny endrik’ireo olona taorian’ny fandidiana ka hatramin’ny fandraisana an-tanana azy ireo aorian’ny fandidiana no haranty eny an-toerana mandritra ny 5 andro. Nanomboka ny 15 desambra ny fampirantiana ary tsy hifarana raha tsy ny 19 desambra 2021. Misy ny vata azo androtsahana izay foy ho fanampiana ireo mbola mila fandidiana eny an-toerana. Hitondra tsiky ho an’ireto tra-pahasembanana ireto ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Ny taona 2007 no niasa teto Madagasikara ny Operation Smile. Any Etats-Unis ny foibe ary efa 39 taona no nijoroany. “Zaza manana fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany 3000 no efa vita fandidiana nanditra 14 taona nisian’ny Operation Smile teto Madagasikara. Marihina fa maimaimpoana avokoa ny fikarakarana azy ireo”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ankoatra ny fandidiana dia manome vatsy ireo tokantrano manana zaza misy sima molotra sy vaky lanilany ny ONG. Raha ny zava-misy dia tratry ny fanilikilihana ireny zaza na olona sima molotra sy vaky lanilany eny anivon’ny fiarahamonina. Menatra ireo ray aman-dreny ka afeniny any antrano any ny zanany nefa tokony hianatra. Anisany olana goavana sedrain’ny ireny marary ireny ihany koa ny lafiny tsy fanjarian-tsakafo. “Sahirana ny zaza rehefa minono na misakafo hany ka miteraka tsy fanjarian-tsakafo ho azy izany”, hoy ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Operation Smile. Mialoha ny fandidiana ireny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ireny dia misy ny fandraisana an-tanana azy.
Ra-Nirina


