Sport

OPEN INTERNATIONAL BMOI – AIR France : Nahemotra ny fifaninana.


« Noho ny valan’aretina pesta sy ny fanapahan-kevitry ny ministera, hahemotra amin’ny andro manaraka ny OPEN INTERNATIONAL BMOI – AIR France eo amin’ny taranja tennis », hoy Josoa RAKOTONINDRIANA, Country Club. Tokony hanomboka ny 08 sy 09 Oktobra 2017 ny fifanintsanana ary ny 10 Oktobra 2017 ka hatramin’ny 15 Oktobra 2017 ny fifaninana. Vonona hatrany ireo mpanohana sy ireo mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny lalao na dia ahemotra aza. Tsy maintsy ho jerena kosa anefa ny fotoana maha afaka ireo mpilalao indrindra ny afahana mijery ny fotoana anaovana azy indray, hoy hatrany ity mpikarakara ity. Andiany faha enina ny OPEN INTERNATIONAL BMOI – AIR France atao amin’ity taona 2017 ity. Nomanina tamin’ity fifaninana ity ny mpilalao Malagasy mba hijerena ny haavo teknikany.

Vola 13.000.000 Ariary no zaraina.

Ho zaraina amin’ny ireo mpandresy « Les laureats » ny vola mitentina 13.000.000 Ariary avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miasa amin’ny fifaninana. Mpanohana ny OPEN INTERNATIONAL BMOI – AIR France ny BMOI sy ny Air France. Ny mpiara-miasa kosa, Alliaz, Orange Madagascar, DHL, Renault ary ny Canal plus.

40 ireo mpilalao.

Eo amin’ny olo-tokana, 16 lahy ary 16 vavy. Valo kosa amin’ny olo-droa. Ahitana Frantsay roa eo amin’ny lahy, Louis Quennessen sy Vincent Stouf. Hollandaise Ewijk Chayenne ao amin’ny vavy nanao ny famaranana tamin’ny taona 2014 sy Almaina Imke Kusgen. Eo amin’ny Malagasy avy any ivelany, ahitana an’i Irina RAMIALISON, jacob RASOLONANDRASANA, ary Antso RAKOTONDRAMANGA. Ny mpilalao avy eto an-toerana kosa, Ando RASOLOMALALA, Patrick RAKOTOZAFINIRINA, Mamy Laly RATSIFANDRIHAMANANA.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *