Socio-eco

ONG TAHEZA : Miantso ireo malala-tanana hanampy amin’ny famatsiana fitaovam-pianaran’ireo ankizy sahirana.


Is it a choice? not diligence? Many Malagasy children today do not go to school due to difficulties. Are you sick Am I sick? And are we sick of seeing it. Let’s help each other.Safidy ve? tsy fahazotoana ve? Ankizy Malagasy maro ankehitriny no tsy tafiditra antsekoly nohon’ny fahasahiranana. Maharary anao ve? Maharary ahy ve? Ary maharary antsika ve mahita azy? Andao hifanampy.

Anisany sakana tsy ahafahan’ny ray aman-dreny mampiditra ny zanany an-tsekoly ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fividianana ireo fitaovam-pianarana. Vao maika manampy trotraka ny fiakaran’ny vidin’izy ireny. Manana vina hanome “kits scolaires” 200 ho an’ireo ankizy sahirana ao amin’ny fokontany Manarintsoa sy Andranomanalina ny ONG TAHEZA (TAnora HEry sy ozatrin’ny Zandry Afara).


Manao antso avo amin’ireo malala-tanana afaka manome izay azon’izy ireo atao ny ONG mba ahafahana manampy ireo ankizy ireo hiatrika ny taom-pianarana 2021-2022. Raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia maro amin’ireo mpianatra no mbola tsy ampy ny fitaovam-pianarana. Ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy hamporisihana ireo  ankizy hianatra no mahatonga ny ONG TAHEZA mikarakara izao hetsika izao. Raha misy terem-panahy hanome dia afaka miantso ny laharana 034 12 410 95 na 032 80 506 51 na ihany koa mandefa mailaka amin’ny ity adiresy ity: ongtaheza@gmail.com. Afaka atao ihany koa ny miresaka mivantana amin’ny pejy facebook ONG TAHEZA.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *