Manakaiky ny fankalazana ny Noely, manamafy indray ny fandraisany andraikitra ara-tsosialy i Orange Madagascar, amin’ny alalan’ny Orange Solidarité Madagascar. Toy ny fanao isan-taona dia manatanteraka hetsika Noely Firaisankina ity orinasam-pifandraisan-davitra ity.
Nifantoka tamin’ireo ankizy tena marefo indrindra ny hetsika. Tamin’ity taona 2025 ity dia ankizy 1 740, 5 ka hatramin’ny 10 taona no nomena « kitapo Noely », ahitana kilalao, vatomamy ary bokin-tantara, ho fanentanana ny saina sy hanomezana tsiky.
Anisan’ireo nisitraka izany ny ankizy marary mitsabo tena eny amin’ireo hopitaly lehibe eto Antananarivo, toy ny HJRB, CENHOSOA, Hopitalin’ny Ankizy ary Ambohimiandra. Nahazo ny anjarany tamin’ny Noely firaisankina ihany koa ny ankizy manana olana eo amin’ny fivoaran’ny saina (autisme), izay karakarain’ireo ivon-toerana AuFeM (Autisme Fédération Madagascar).
Nohitarina manerana ny Nosy ny hetsika, ka ankizy sahirana ao amin’ny kaominina laharam-pahamehana iray isaky ny faritra 21 iasan’i Orange Madagascar no notohanana. Ankoatra izany, nahazo tombontsoa ihany koa ny ankizy sahirana ao amin’ny fokontany Ankorondrano Atsinanana, manodidina ny foiben’i Orange Madagascar.
Tontosa ny 22 sy 23 Desambra teto Antananarivo ny fizarana, ary 23 sy 24 Desambra kosa tany amin’ny faritra, niarahana tamin’ireo ben’ny tanàna sy tompon’andraikitry ny ivon-toerana.
« Miara-mampiely ny fanahin’ny Noely isika, indrindra any amin’ireo toerana tena andrasana azy. Ny fanomezana boky, kilalao na fiahiana kely dia mitondra fanantenana sy hafaliana ho an’ny ankizy tsirairay », hoy Benja Arson, Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar.
Tsy fizarana fanomezana fotsiny ny Noely Firaisankina, fa fotoana ifampizarana hafanana, fitiavana ary fampiononana ho an’ireo ankizy sy ny fianakaviany. Isan-taona, mpiasa an-jatony eo ho eo avy ao amin’i Orange Madagascar no mandray anjara an-tsitrapo, mba hahatonga ity hetsika ity ho tena fotoana iray mampiray sy mampahery.
Ra-Nirina


