Nanomboka tamin’ny fanjairana tsotra sy nofy kely, androany kosa lasa orinasa mamokatra sy mamorona lamaody ny Ni Atelier Creation. Tantara iray maneho fa rehefa ampiarahina ny talenta, ny fiofanana ary ny fahasahiana, dia afaka miova ho fahombiazana ny nofy.
Efa hatramin’ny fahazazany no niorim-paka tao am-pon’i Randrianomanana Nivo Voahangy, styliste créateur, ny fitiavana mamorona. Tsy nijanona tamin’ny fahaizana mamorona zavatra tsotra izany fa nitohy tamin’ny faniriana hanjaitra sy hamorona lamaody. Io fitiavana io no fototra nananganana ny Ni Atelier Creation, orinasa iray natsangana tsikelikely tao anatin’ny ezaka sy fanamby maro.
Fampiofanana sy fanombohana lalana matihanina
Tamin’ny taona 2011, nandray anjara tamin’ny tetikasa nokarakarain’ny Art Mada 2 i Nivo Voahangy, ka tafiditra tao amin’ny fiofanana momba ny « stylisme » natao tany Antananarivo. Isan’ireo solontenan’i Toamasina izy tamin’izany fotoana izany. Hatramin’izay dia tsy niala taminy mihitsy ny tanjona hanangana « atelier » kely ho lasa orinasa tena izy.
Na dia efa nanana traikefa ara-teknika aza izy, dia mbola zara raha nahafehy ny lafiny fitantanana. « Fanjairana no talentako, fa ny fitantanana mbola banga » hoy izy, raha fintinina ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany.
Ambatovy, fotoana nanovana fomba fisainana
Fiovana lehibe no nitranga tamin’ny 2021, rehefa tafiditra tao anatin’ny tetikasa fanohanana ireo entreprises vao niforona nokarakarain’Ambatovy ny Ni Atelier Creation. Tsy vola mivantana no noraisina fa fiofanana lalina momba ny fitantanana orinasa : fitantanana vola, fitantanana olona, fotoana ary famolavolana paikady.
Nandritra ny taona voalohany dia nianatra ny fototry ny fitantanana izy. Tamin’izany no nahasahiany nanao dingana lehibe, anisan’izany ny fifindrana an-tanan-dehibe tao Toamasina, mba hanamafisana ny rafitra sy hanitarana ny asany, na dia nisy ambana ara-bola aza izany.
Fiofanana lalina sy fivoarana hita maso
Taorian’ny fifantenana dia tafiditra tao amin’ny taona faharoa amin’ilay tetikasa izy, izay nahitana fiofanana ampitain-davitra ( en ligne) momba ny « vente, achat, comptabilité » ary ny fomba hampiakarana ny « chiffre d’affaires ». Tsy niandry mpanjifa intsony ny orinasa fa nandodom-baravarana, nitady tsena ary namorona vokatra vaovao.
Vokatry ny fahaiza-mamorona sy ny fahaizana mitantana, dia tafiditra nahazo fanohanana fanampiny (coup de pouce) ny Ni Atelier Creation. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanampiana machine industrielle sy machine fanaovana impression sur tissu, mba hahafahana mamaly commande maro sy mampiavaka ny vokatra.
Fanamby, krizy ary vahaolana
Toy ny orinasa maro, niatrika fanamby goavana ny Ni Atelier Creation, indrindra taorian’ny krizy nateraky ny Covid-19. Tsy fahampian’ny vola, olana amin’ny fitantanana mpiasa ary fahatapahan-jiro matetika no isan’ny sakana.
Saingy nisy ny fianarana : tsy voatery hanana vola be vao afaka miasa. Afaka maka « « commande miaraka amin’ny « avance » ary mandroso tsikelikely. Mikasika ny olana ara-jiro kosa, nisafidy ny hividy « groupe électrogène » ny orinasa, fa tsy hionona amin’ny fitarainana fotsiny.
Orinasa mbola kely, vina lehibe
Ankehitriny, olona roa raikitra no miasa ao amin’ny Ni Atelier Creation, ary mandray « stagiaire » avy amin’ireo mpianatry ny ao amin’ny « coupe et couture » ihany koa izy ireo. Sady fiofanana ho an’ny tanora izany no fanampiana amin’ny famokarana.
Taorian’ireo fiofanana rehetra ireo dia niova ny toe-tsaina : sahy kokoa, mahay mandamina fotoana, ary mitombo hatrany ny kalitaon’ny vokatra. Raha te hahazo asa lehibe mantsy, dia tsy maintsy kalitao no atao laharam-pahamehana.
Ny dian’ny Ni Atelier Creation dia mampiseho fa na dia avy amin’ny fanombohana madinika aza, dia afaka mitombo sy mamiratra ny orinasa iray, raha tohanana amin’ny fiofanana, fahasahiana ary faharetana.
Ambatovy sy ny fanarenana ara-toekarena taorian’ny Covid-19
Tsy nifantoka tamin’ny famokarana fotsiny i Ambatovy, fa nanamafy ihany koa ny andraikiny ara-tsosialy, indrindra taorian’ny krizy nateraky ny Covid-19. Araka ny fifanakalozan-kevitra nifanaovana tamin’ireo mpitondra tamin’ny taona 2022, dia hita fa nitombo ny isan’ny tsy an’asa tao Toamasina sy Moramanga, vokatry ny fikatonan’ny orinasa maro. Maro ireo voatery namorona asa ho an’ny tenany, saingy mbola marefo sy tandindomin-doza ny fampiasam-bola nataon’ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra.
Manoloana izany toe-draharaha izany, dia nanapa-kevitra ny ONG Saint Gabriel, niaraka tamin’ny fanohanana avy amin’i Ambatovy, ny hitady tanora mpandraharaha 50 tao Toamasina sy Moramanga. Nandritra ny taona voalohany, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana orinasa ny fiofanana, izay fototra ilaina amin’ny faharetan’ny asa.
Tamin’ny taona faharoa, dia nisy fiofanana manokana arakaraka ny sehatra iasan’ny tsirairay :
artisanat, restauration, agroalimentaire, coupe et couture, sy sehatra hafa. Tsy maintsy nandalo sivana ireo mpandray anjara, satria na dia nahazo fiofanana aza ny sasany, dia mbola tsy nahitana fivoarana mazava.
Tamin’ireo 50 tany am-piandohana, 47 no tafavoaka tamin’ny dingana voalohany, ary 15 tamin’ireo no nosafidian’i Ambatovy hotohizana manokana tamin’ny taona faharoa. Nomena stage manokana momba ny fitantanana orinasa izy ireo, narahina fonds « coup de pouce » natao hanesorana ireo sakana teo am-piandohan’ny asa.
Rehefa nifarana ny tetikasa, dia 30 tamin’ireo tanora 50 no afaka nijoro ara-dalàna sy nanohy ny asany, porofo fa mety hitondra vokatra maharitra ny fanohanana mifantoka amin’ny fahaiza-manao sy ny fitantanana.
Ra-Nirina


