Socio-eco

MVOLA: Manamora ny fikirakirana tolotra ara-bola ny fisian’ny PoP eny Analakely sy Sabotsy Namehana


Nanokatra Points of Presence (PoP) vaovao miisa roa, eny Analakely sy Sabotsy Namehan, ny Mvola. Mba hamahana ny filàn’ny Malagasy amin’ny serivisy ara-bola akaiky, haingana ary azo antoka, MVola no anton’izany.  Ireo toerana ireo dia masoivoho natokana ho an’ny tolotra MVola mba ahafahan’ny mpanjifa manatanteraka ny asa andavanandro toy ny fanokafana kaonty, fandraisana vola, sy famoahana vola, ary koa mankafy fanampiana manokana ho an’ny filàna tsirairay. Ho hitan’ny mpanjifa eny an-toerana ihany koa ny vokatra sy serivisy rehetra ao amin’ny MVola, anisan’izany ny MVola Avance, Fameno, MVola Épargne, MVola Assure, karatra Visa MVola, ary ny Super App. Mifanandrify amin’ny vina napetraky ny MVola dia ny hanolotra serivisy ara-bola ho an’ny Malagasy rehetra, amin’ny fomba mora, manara-penitra ary ho an’ny rehetra ny fanokafana ireo PoP vaovao ireo.

« Ireo PoP roa vaovao ao Analakely sy Sabotsy Namehana dia fanamafisana ny iraka ataonay hanatsarana ny fidirana amin’ny serivisy ara-bola ho an’ny rehetra. Manakaiky ny mpanjifa izahay sy hanome azy ireo serivisy izay mifanentana amin’ny filàny », hoy i Louis Olivier Favot, Tale Jeneralin’ny MVola.

Miisa dimy ankehitriny ny PoP Mvola manerana an’i Madagasikara. « Manamarika dingana lehibe amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny MVola amin’ny fidirana amin’ny serivisy ara-bola ho an’ny rehetra izany », araka ny fampitam-baovao hatrany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *