politique

Mpiasan’ny MEETFP sy ny sendika: Manamafy ny efa mijoro


Mandray anjara tanteraka amin’ny fanarenam-pirenena ny mpiasan’ny Minisiteran’ny fampananan’asa sy fampianarana teknika ary fampiofanana arak’asa ( MEETFP ). Mikendry ny vokatra aingana eo amin’ny ara-tsosialy, ara-toekarena amin’ny fampiharana ny politika nasionaly ny fampanan’asa sy ny fanofanana arak’asa izy ireo. Misy sehatra dimy hanombohana izany ary efa misy ny mpiara-miombon’antoka. Eo ny ministera samihafa, ireo vondron’ny orinasa avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Nomarihan’izy ireo fa efa tafapetraka 80% izany. Maro ireo sekoly sy toeram-piofanana efa hanatanterahana izany araka io politika io. Eo am-pamolavolana ny sata manokana ho an’ny sekoly teknika ireo mpiasa ao amin’ny MEETFP mba hampahombiazana ny fampanan’asa sy ny fanofanana arak’asa ho an’ny Malagasy. Miaraka amin’ireo sendika rehetra ao amin’ny MEETFP ireo mpiasa ireo ka anisan’izany ny S3MF.

Mitaky governemanta “technocrate”

S3MF« Tsy ekena intsony ny fiverenan’ny minisitra Toto Lydia sy ny ekipany ao amin’ny ministeran’ny MEETFP ». Manao antso avo amin’ny praiministra vaovao Ntsay Christian ny filohan’ny sendikan’ny Mpiasa Mpampianatra Mpampiofana eo amin’ny sehatry ny Fampananan’asa Fampianarana teknika Fanofanana arak’asa ( S3MF ), Ali Imrana fa misy ireo mpamitaka. Hisaoran’izy ireo ny solombavambahoaka 73 nanolotra io praministra io. Dingana faharoa izao no atao dia ny fananganana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Nohamafisin’izy ireo fa governemanta “technocrate” no nifanarahana ka tokony ho teknisianina avokoa ny mitana ny teoran’ny ministra. Noho izany mangataka azy hifidy tsara sy hanala ny tsiparifary mitetika hiditra ao amin’io governemanta vaovao io.

Nirina R.

Mpiasan’ny MEETFP

Ali IMRANA - filohan'ny M3MF


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *