Socio-eco

MPANDRAHARAHA ARA-TOEKARENA: Mitaky fampihenana ny hetra


Mavesatra dia mavesatra ny hetra sy ny haba tsy maintsy aloa raha hampiasa vola eto Madagasikara. Azo atao ny mampiroborobo ny sehatry ny indostria Malagasy saingy mitaky fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana izany. Nambaran’ny talen’ny kabinetra ny vondrona Sipromad, Tiana Rasamimanana fa sakana tsy mampandroso ny sehatry ny indostria ny findanganan’ny hetra aloa amin’ny fanjakana. Soso-kevitra natolony ny hampihenana izany.

Miteraka asa

Aloan’ny telovolana voalohany amin’ny taona 2019 dia hampiasa milina vaovao fanamboarana savony sy paraky ny vondrona Sipromad. Nampahafantariny nandritra ny hetsika natokana ho an’ny indostria na “salon de l’industrie de Madagascar” (SIM), andiany faha-efatra fa zava-dehibe ny fampiasana vola sy fananganana indostria eto Madagasikara. Sady mampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany izany no miteraka asa ho an’ny Malagasy. Ho fampitomboana ny famokarana savony sy paraky eto an-toerana ihany koa ny fampiasana ireo milina vaovao ireo. Anisany mandray anjara eny SIM izay atao ao amin’ny Zone Forello Tanjombato ity vondrona ity. Miranty eny avokoa ny vokatra vokariny tao anatin’ny 45 taona nisiany toy ny savony, labozia, savoka… Ny alahady 24 jona 2018 no hifarana ny hetsika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *