Sport

MOHAMAD ABDILLAH : Manaiky izay ho voka-pifidianana.


« Tsy tokony  hiverina intsony ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) tsy nahomby iny ». Manantena ny kandidà ho filohan’ny FMF, Mohamad Abdillah fa hizotra amin’ny tokony ho izy ny fifidianana ary hahay hifidy ireo filohan’ny ligy 22. Tsy hitory ary hanaiky izay valin’ny fifidianana eo izy raha sanatria tsy lany. Io fifidianana  amin’ny 24 Aogositra 2019 atao any Toliara io no hamaritra ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Tokony ho jerena koa ny mety tsy fanaran-dàlana mialoha izao fifidianana izao. Fanotaniana mipetraka ny hoe : aiza ny tsiambaratelon’ny safidy ? raha naneho ny heviny izy teo anatrehan’ireny filohan’ny ligy nampiseho mivantana ny safidiny ireny. Ny safidy ao anaty vata fandatsaham-bato ihany anefa no tena hamaritra ny tena safidin’izy ireny. Na eo aza anefa izany dia  vonona hatrany ny kandidà Mohamad Abdillah  amin’ny fifidianana ary hiresaka amin’ireo filohan’ny ligy sy andresy lahatra azy ireo ny programany ho fampandrosoana ny baolina kitra. Nanambara mivantana sady mahitsy izy fa tsy ho voavidy vola raha misy alaim-panahy mba hisintona ny filatsahany na koa hanaiky resy tsy miady. Anisan’ny tetikasany raha lany eo izy ny fanaovana fotodrafitrasa, toy ny fampitomboana ny kianja, ny fanamboarana foibe-toeran’ny FMF hatao geza, ny fanamboarana trano iasan’ireo filohan’ny ligy 22 any amin’ireo faritra misy azy…Mbola ho avy ny fampahafantarana amin’ny an-tsipiriany ireo tetikasa ho fampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Marihana fa rahampitso 02 Aogositra 2019 no hamoaka ireo lisitry ny kandidà raikitra izay ho filohan’ny FMF sy ireo komity mpanatanteraka  ny « Comité de Normalisation » (CDN).

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *