Socio-eco

MINISTRA VAOVAO: Hiezaka hampananan’asa


Tontosa androany 14 jona 2018 ny famindram-pahefana teo amin’ny ramatoa Toto RAHARIMALALA Marie Lydia, minisitry ny fampanan’asa, fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa teo aloha sy ny ministra Pierre Houlder RAMAHOLIMASY ary ny ministra Aimée Lydia RAHANTASOA. Pierre Houlder RAMAHOLIMASY indray no misahana ny fampanan’asa sy ny asa miaraka amin’ny asam-panjakana, ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana ary ny lalàna sosialy. Ramatoa Aimée Lydia RAHANTASOA, kosa no hisahana ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa. Natao tetsy amin’ny ministeran’ny fampianarana teknika tetsy Ampefiloha ny fampindram-pahefana.
Sarotra sy manahirana ny mampananan’asa ho an’ny tanor, hoy i Pierre Houlder RAMAHOLIMASY, minisitry ny asam-panjakana, ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny asa, ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy. Nambarany fa tsy voavaha iray manontolo ny olan’ny tsy fananan’asa fa vonona hatrany anefa izy ary hiezaka ny hamaha izany olan’ny tsy fananan’asa izany mandritra ny enim-bolana izay iandreketany ity asa ity. Mandrapahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izy no miandraikitra ity asa ity raha ny filazany satria miova arak’ izay ihany koa ny governemanta rehetra.
Nampanantena ihany koa ny minisitry ny fampianarana ara-teknika ary ny fampiofanana arak’asa, Aimée Lydia RAHANTASOA fa hametraka fitoniana sy fandriam-pahalemana ao anatin’ny 200 andro izay iandreketany ity asany ao amin’ny departemanta vaovao ity. Tokony hanana traik’efa sy fahaizana ireo mpianatra mba hisian’ny fampandrosoana satria « kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny fampianarana ara-teknika ary ny fampiofanana arak’asa » hoy ity minisitra vaovao ity. Vonona ny hanompo ny vahoaka izy. Noho izany misokatra ho an’ny rehetra ny ministera satria tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana. Ho atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna avokoa anefa izany rehetra izany.

Tojo (Stagiaire)

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *