Socio-eco

MINISTRA GUY RIVO RANDRIANARISOA: Hanokatra ny orinasa TIKO


Hanatanteraka ny teny nifanaovana teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny ministry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Guy Rivo Randrianarisoa. Hanampy ny orinasa Malagasy no antony ahatongavany ao amin’ity ministera ity. “Hosokafana izay orinasa mikatona”, hoy izy nandritra ny anterivava natao azy taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny ministra teo aloha, Armand Tazafy ny 13 jona 2018. Noho izany, manana fanantenana ireo mpitolona mitaky ny fisokafan’ny orinasa TIKO (Triple AAA).

Manita-doha

“Tsy atao an-terivaimanta ny fifidianana”. Nambaran’ny ministra Guy Rivo Randrianarisoa fa tokony mbola hisy fitsirihana lisim-pifidianana, tokony milamina avokoa ny fikarakarana rehetra izay vao miroso amin’ny fifidianana. Mitady hanita-dia indray ireo nahazo seza. Ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana anefa mitaky ny firosoana amin’ny fifidianana mialohan’ny fotoana ary tsy maintsy atao amin’ny main-tany. Raha mandà izany ireo ministra ao anatin’ity governemanta vaovao ity dia izany dia namany mitazona ny filoham-pirenena hijanona eo amin’ny toerany hatrany. Fitakiana notarihin’ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR anefa ny fialàn’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *