Socio-eco

Ministeran’ny tontolo iainana : Mitady olom-baovao ny mpiasa


Tsy takona afenina ny fanondranana tsy ara-dalana ireo harena voajanahary arovana toy ny sokatra. Noho izany, mangataka fanovàna ao ny amin’ny ministeran’ny tontolo iaianana.  « Tsy misy olom-baovao mihitsy ve no dia ministry ny tontolo iainana nitety ministera telo »   Tsy tokony hisy ministra hiverina intsony eo amin’ny governemanta vaovao araka ny fitakiana nataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny  tontolo iainana , Hery Andriafenomiharisoa .

Tsy mila ministera avy amin’ny antoko HVM sy ireo mpanondrana hazo sarobidy sy sokatra ny ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana. Tokony ho teknisiana manokana sy afaka hiaro momban’ny tontolo iainana no horaisin’ny praiministra vaovao, Ntsay Christian eo amin’izany sehatry izany. Manana mpiasa tsy raikitra 400 (ECD) ny ministeran’ny tontolo iainana tokony ho raisina nefa tamin’ny herinandro lasa teo dia mpiasa 40 tsy manana traikefa momban’ny tontolo iainana no noraisina mpiasa raikitra natao maimaika araka ny nolazain ity sendika ity hatrany. Noho izany, mangaka ny hanaovana « audit » izy ireo. Mila fiovana aingana ny sendika eo amin’ny lafinin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tontolon’ny minisitera.

Angelica (stagiaire)
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *