Socio-eco

MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Ny « tagnamaro » teny amin’ny hopitaly Mahitsy


Androany 30 martsa 2019 teo no nanombohan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny hetsika “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”. Teny amin’ny hopitaly Mahitsy, distrika an’Ambohidratrimo no nanatanterahana izany ka araka ny fampahafantarana ny hetsika tany amboalohany dia fandokoana ireo foto-drafitr’asa ao amin’ny hopitaly sy fanamboarana ny zaridaina ary fanadiovana ny manodidina no natao nanomboka ny maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro. Nitarika ny hetsika ny ministra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana niaraka tamin’’ireo mpiasan’ny sampandraharaha rehetra mandrafitra ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Betsaka ireo orinasa tsy miankina nanolo-tanana tamin’ity hetsika santatra ity ka nanolotra fitaovana toy ny loko, kojakoja ilaina amin’ny fandokoana sy ny maro tsy voatanisa. “Ny hopitaly Mahitsy no hiantoka ny fanarahamaso, mbola misy ny asa tsy vita ohatra ny tafo ka tsy maintsy mbola hiverenana amin’ny manaraka”, hoy ny minisitry ny serasera Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Nambaran’ny minisitra ihany koa fa fitaizana ny “tagnamaro” satria nisy ny asa natao dia mila mikolo izany ny tomponandraikitry ny hopitaly sy ireo marary. Atao fomba fanao isam-bolana ity hetsika ity ka miovaova ny toerana hanaovana izany sy asa ho atao, araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany.

Mankasitraka ny asa vita ny lehiben’ny hopitaly Mahitsy, Ranaivoarisoa Lucie satria efa tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany ity hopitaly ity no namboarina. Nitokana izany ny jeneraly Gallieni ny taona 1902. “Zava-dehibe ny tagnamaro satria manatsara ny endriky ny hopitaly na dia efa antitra aza ireo foto-drafitr’asa”. Raha ny fantatra dia mampiavaka ny hopitaly Mahitsy ny fandidiana sy ny tsindrom-bolamena (acupuncture).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *