Socio-eco

MINISTERAN’NY MPONINA : Nizara nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny tena sahirana niaraka amin’ny fikambanana SIF


Mitohy ny fitsinjovana ireo tena sahirana ataon’ny ministeran’ny mponina miaraka amin’ny fikambanana  Secours Islamique France  eto Madagasikara(SIF). Natomboka teny amin’ny fokontany Ambaravarakazo ny fizarana ho an’ireo nahazo tombotsoa ny 15 Aogositra 2020. « Tsy vao izao ny fiaraha-miasa amin’ny SIF amin’ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy fa efa faninefatra izay tamin’ity amehana ara-pahasalamana noho ny fisian’ny aretina COVID-19 », hoy ny minisitry ny mponina, Naharimamy Irmah. Nanentana ny mponina teny amin’ity fokontany ity ihany koa ny ministra hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika ataon’ny fanjakana amin’ity ady atao amin’ny aretina corona virus ity. Miisa 166 ireo fianakaviana nisitraka ny fanomezana ka omby iray ho an’ny fianakaviana fito izay milanja 35 kilao eo ho eo ho an’ny tsirairay avy. Mandritra ny efatra andro ny hetsika ka fokontany vitsivitsy eto Antananarivo sy Ihorobe no hisitraka izany. Miisa 144 ny omby ho zaraina amin’ireo fianakaviana tena sahirana miisa 1008. Tokan-trano 700 ny eto Antananarivo ary 308 any Ihorombe. Nisaotra ny ministeran’ny mponina sy ny SIF ireo  nahazo tombotsoa ary maniry hatrany hisian’ny hetsika fanampiana toy izao.

Nomarihan’ny Chef de mission du SIF,  Bénilde Claude MAMPOUYA  fa tafiditra amin’ny fetin’ny tabaski  ity hetsika ity. Hifarana ny Talata 18 Aogositra  fizarana ny fanomezana.

Nirina R.


One comment on “MINISTERAN’NY MPONINA : Nizara nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny tena sahirana niaraka amin’ny fikambanana SIF

  1. Pingback: MINISTERAN’NY MPONINA : Nizara nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny tena sahirana niaraka amin’ny fikambanana SIF - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *