Socio-eco

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Tsy nofoanana ny « Police de la route »


Naato vonjimaika mandra-pivoahan’ny paik’ady vaovao ho fanatsarana sy fiadiana amin’ny kolikoly ny « Police de la route ». Tsy nofoanana akory noho izany ny « Police de la route », hoy ny ministry ny filaminam-bahoaka, ny contrôleur Général de Police,  RAFANOMEZANTSOA Roger, androany 25 febroary 2019. Ity minisitra ity raha teo no miandraikitra manokana amin’ny ady amin’ny kolikoly ankehitriny. Mitohy kosa anefa ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny ho fanaraha-maso sy ny fampiasana ny lalana. Nomarihany fa tsy maintsy mampiatra ny làlana ny polisim-pirenena raha misy ny heloka mitranga na koa misy loharanom-baovao manambara trangana heloka mety hiseho eny an-dalam-be eny. Ankoatra izay dia misy hatrany ireo sakana « barrage routier » manao ny fanaraha-maso ny fivoahana sy ny fidirana ny tanàna. Na izany aza anefa dia miasa tsy misy fitsaharany ny polisim-pirenena  izany hoe 24 ora ao anatin’ny fito andro. Manatanteraka ny andraikitra iantsorohany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary amin’ny fampiharana ny lalàna. Amin’ny andro Alahady kosa izy ireo dia miantoka ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fisafoana ny fari-piadidiany avy izay eny amin’ny kaomisarian’ny boriboritany eto Antananarivo renivohitra. Misy ihany koa ireo sampana mpiandry raharaha eo anivon’ny kaomisaria central rehetra sy eo anivon’ny fiadidian’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka izay miantoka an’ireo asa vonjy taitra sy famotorana. Tsy hisy velively noho izany ny fitsaharan’ny asan’ny polisim-pirenena raha  tiana ny hampandry fahalemana ny tany.

Pasipaoro

Nanambara minisitra ny filaminam-bahoaka fa fizaran’asa no nisy teo amin’ny Polisy sy ny ministeran’ny atin-tany tamin’ny fotoan’ androny raha niresaka ny fanaovana pasipaoro. Tsy misy noho  izany ny lalàna manokana namaritra fa anjara asan’ny polisy ny fanomezana ny pasipaoro. Voafaritra mazava kosa anefa fa ao anatin’ny didim-pitondrana mamaritra ny andraikin’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka izay misy ny Polisy no manara-maso ny amin’ny fampiasana sy ny fivoahan’ny pasipaoro Malagasy sy vahiny .

 Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *