Edito

MIFANARAHA ISIKA MALAGASY…


Efa manomana fifidianana ho filoham-pirenena ireo kandidà mieritreritra ny andray an-jara amin’izany fifidianana izany. Nisy mihitsy ny efa nanambara ny hilatsahany am-pahibe maso. Ny hafa kosa na mbola tsy miteny aza, efa miseho vahoaka sy miezaka hamory vahoaka.

Hisy tokoa ve io fifidianana io ?

Mpanao politika maro no manome soson-kevitra fa tokony ovana io lalam-panorenana io alohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena fa tsy mitondra fampandrosoana sady mety hiteraka krizy politika. Tokony hisy ihany koa ny tena fampihavanana. Fantatra ankehitriny ireo anaran’ireo olona ao anatin’ny fampihavanana na ny CFM.

Am-pihavana ny Malagasy rehetra.

Raha ny fampihavanana natao hatrizay, ny mpanao politika ihany no noezahina nampihavana ary tsy izy rehetra anefa fa 5 ihany no nampihaona, Marc RAVALOMANANA , Didier RATSIRAKA, Albert ZAFY ,Andry RAJOELINA ary ny filoha ankehitriny Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Ireo ihany ve no niady teto Madagasikara ? Raha ny zava-nisy, toerana no niadian’izy ireo ka ireo ve izany no tokony am-pihavana ?

Alok’i Rwanda ny taona 2002.

Tokony ho fantatry ny Malagasy rehetra fa niady ny Malagasy tamin’ny krizim-pifidianana taona 2002 niadian’ny filoha Marc RAVALOMANANA sy ny filoha Didier RATSIRAKA seza tokana. Nampiasaina ny vahoaka, ny tafika samy tafika nifampitifitra, napoakan’ny sasany ny tetezana, nisy ny barazy ekonomika nanaovana fahirano. Alok’i Rwanda no nisy tamin’izany. Am-bava-haon’ny ady an-trano i Madagasikara tamin’izany fotoana izany. Tsy io taona io ihany anefa no nisy ady teto Madagasikara fa betsaka. Andraikitra lehibe noho izany ny an’ireo mpikambana ao amin’ny CFM ireo. Ny mpanao politika ihany ve no am-pihavany sa misandrahaka amin’ireo Malagasy tsy vaky volo. Raha sanatria ny mpanao politika ihany no hisitraka izany dia ny omaly tsy miova ny fomba fanao eto. Tokony ho fantatry ny rehetra fa mifandray tanana sy mifandom-bera anie izy ireo e ! Ny ankamaroan’izy ireo milaza mihitsy fa ny hevitra no miady fa tsy izy ireo.

Aoka tsy hisy intsony ny nisy tamin’ny taona 2002.

Haminavinana ny ratsy mba hiavian’ny soa hoy ny Ntaolo Malagasy. Ny fitiavan-tseza, ny fitiavam-pahefana no anton’izany gidragidra nitranga teto amin’ny firenentsika hatrizay. Dia mbola hitohy ihany ve izany fitiavan-tseza sy fahefana izany ? Lavitry ny afo ny kitay hoy ny fitenenana izay. Miharihary toy ny vay an-kandriana ny ataon’ny mpitondra ankehitriny. Anisan’izany ny fanakanana amin’ny fomba rehetra ireo te-haneho hevitra, toy ny nataon’ny TIM izay nankalaza ny 15 taona nisiany. Ny fanirian’ny Herin’ny Fanovana natao tamin’ity herinandro ity. Marihina fa samy anatin’ny toerana mifefy avokoa. Sahy ny mpitondra mihitsy aza ny milaza fa na any amin’ny trano privé, tsy azo hanaovana famoriam-bahoaka. Ny kajikajy politika mandeha eny ihany.

Fifidianana ve no maha-maika sa ny fandaminana ifotony ny firenena ka ho eken’ny rehetra ny atao eto amin’ny firenena ?

Nirina R.

HORONAN-TSARY 2002


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *