Socio-eco

MIAHY JOVENA : Nofenoina ireo fitaovam-pitsaboana tsy ampy ao amin’ny hopitaly Befelatanana


Anisany antony faharoa idiran’ny olona ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana (HRJB) ny aretin’ny taovam-pandevonan-kanina. Marary 120 isam-bolana eo no miditra ao amin’ny hopitaly. Olana eo amin’ ny fitsaboana anefa ny fahasimban’ny foto-drafitrasa sy tsy fahampian’ireo fitaovam-pitsaboana ao amin’ny « service Gastro-Entérologie ». Ho an’ny taona 2020, ny hopitaly Befelatanana no misitraka ny zana-pandaharan’asa voalohany an’ny Miahy Jovena. Ny Fondation Axian no misahana ny fandaharan’asa ary ny orinasa Jovena no mamatsy vola izany. Nanolotra ireo fitaovam-pitsaboina tsy ampy ao amin’ity sampan-draharaha ity ny Fondation Axian.  Ireto avy ireo fanomezana: « 2 moniteurs-5 paramètres, 2 aspirateurs chirurgicaux, 3 chariots à instruments pour soins infirmiers, 2 chariots à dossiers- malades, 4 pousses seringue électriques, 4 détendeurs d’oxygène avec humidificateur ».

Ao anatin’ny fiarahamiasan’ny roa tonta ihany koa ny fanavaozana ny foto-drafitr’asa, toy ny efitranon’ny marary, ny fampanarahana amin’ny tokony ny lafiny herinaratra. Niato kely ny asa noho ny valan’aretina Covid 19 fa hiverina kosa amin’ny telovalana farany amin’ity taona 2020 ity. “Hamerina amin’ny tokony izy ny sampan-draharaha tarihin’i profesora Rado Ramanampamonjy ny zana-pandaharan’asa an’ny Miahy Jovena”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian, Rajemison Dina. Rehefa vita ny asa fanamboarana dia hihatsara ny fandraisana sy ny fitsaboana ny marary. Araka ny fanazavany, mizara ho zana-pandaharan’asa telo ny fandaharan’asa Miahy Jovena. Ny voalohany miompana amin’ny fanavaozana ny hopitaly, ny faharoa fametrahana “clinique mobile” hitsaboana ny vehivavy sy ny zaza vao teraka ary ny fahatelo ny fanamboarana foto-drafitr’asa hafahana misitraka rano fisotro madio eny amin’ireo tanàna iva eto Antananarivo. Dimy taona no faharetany.

Nirina R.


One comment on “MIAHY JOVENA : Nofenoina ireo fitaovam-pitsaboana tsy ampy ao amin’ny hopitaly Befelatanana

  1. Pingback: MIAHY JOVENA : Nofenoina ireo fitaovam-pitsaboana tsy ampy ao amin’ny hopitaly Befelatanana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *