Socio-eco

MEDAIR SY NY LOZA VOAJANAHARY: Haseho an-tsary ny fahasamihafan’ny any Atsimo sy Avaratra


Iombonan’ny  faritra Atsimo sy Avaratr’i Madagasikara ny olan’ny rano. Ny  maha samihafa azy dia be loatra ny rano any Avaratra ary ory rano kosa ny any Atsimo. Samy miteraka fahavoazana ho an’ny mponina sy ny fivelomany anefa na ny voalohany na ny faharoa. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny loza voajanahary toy ny rivo-doza sy ny hay tany no tena hitrangan’izany. Haseho an-tsary io fitoviana sy fahasamihafana io mandra-pahatongan’ny 21 novambra 2019. 24 ny isan’ireo sary ary mandeha tsiroaroa. Natomboka tao amin’ny Louvre Antaninarenina ny fampirantiana ireo sary nalain’i Pierrot Men ary hifindrafindra amin’ny toerana maro, toy ny eny amin’ny DHL Ankorondrano, Tana Water Front Ankorondrano, BNGRC Antanimora, Fondation H Andraharo ary eny amin’ny oniveriste an’Antananarivo. Hetsika karakarain’ny ONG Medair ity “road show photos” ity mba hampahafantarana izay fahasamihafana izay fa indrindra hampahafantarana ny asan’ny ONG ho an’ireo faritra iharan’ny loza voajanahary.MEDAIR 2

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera, Rakotomavo Chrystelle nandritra ny fanokafana ny fampirantiana ny 28 aogositra 2019 teny amin’ny Louvre Antaninarenina fa hampisehoana ny risi-po sy ny fahamendrehan’ ireo olona miatrika ny loza voajanahary any amin’ireo faritra ireo sy hampahafantarana ny asan’ny Medair manoloana izany ny zava-kendren’ny “road show photos”. Santionany ny asa ataon’ity ONG manampy amin’ny fanarenana ireo tra-pahavoazana  vokatry ny loza voajanahary ity ny famatsiana rano any Atsimo, ny fanampiana  ireo traboina any Avaratra rehefa tonga ny loza voajanahary. Eo ihany koa ny fanampiana ireo traboina amin’ny fanorenana trano mahatohitra ny rivo-doza, fanomezana toromarika an’ ireo  mponina hisoroka sy hiatrika ny loza mety ho avy. Marihina fa ao anatin’ny tetikasa  “reveillons l’humani-terriens en nous »  ho tanterahin’ny ONG eto Madagasikara mandritra ny taona 2019 izao hetsika fampirantiana izao.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *