Socio-eco

May ny « tsena tsiafahy » ao Isotry: Tonga teny Ravalomanana Lalao


Nijery ireo mpivarotra traboina teny amin’ny Tsenan’ny Kianja Andrianjaka teny Isotry ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny vadiny Marc Ravalomanana

May ny tsena etsy amin’ny kianja Andrianjaka Isotry. Trano fivarotana 300 mahery tao amin’ity tsena ity no may kila tanteraka. 404 no isan’ny trano fivarotana ao, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra, ka ny 75%-n’ireo trano fivarotana ireo no may.

Tsy hita noanoa ny fatiantoka satria araka ny voalazan’ireo mpivarotra may entana sy trano, tombanana ho an’arivony tapitrisa any ho any ny fahavoazana. Mpivarotra ambongadiny fitaovana momba ny tao-trano, kojakoja ilaina amin’ny fampidiran-drano, fitaovana samihafa momba ny herinaratra ny ankamaroan’ireo traboina tamin’izao loza izao.

Nambaran’ireo niharam-pahavoazana fa androany tamin’ny 1 ora, izany hoe ny alahady hifoha ny alatsinain’ny Pentekosta, no nitrangan’izao fahamaizina izao. Nisy ny fipoahana izay tsy fantatra ny nihaviany, nitarika ny firehetan’ny 75% n’ny tsenan’Andrianjaka Isotry izao. Trano iray lehibe eo amin’ny manodidina  koa no vaky fitaratra noho izay fipoahana izay. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina, fa noho ireo trano sy fitaovana samihafa mora mandray afo no nampananosarotra ny asa famonjena. Ankoatr’izay, manahy ny fisian’ny hasomparana tamin’izao raharaha izao ireo mpivarotra.

Androany vao maraina no tonga nijery sy nankahery ireo mpivarotra traboina ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Nanotrona azy ireo tamin’izany koa Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sady vadin’ny Ben’ny Tanàna.

Nambaran’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana fa rahampitso talata ihany dia efa ho tonga hanadio ny toerana ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra ary hijanona hivarotra eo hatrany ireo mpivarotra teo aloha, hoy izy. Hitondra ny voatsirambin’ny tanana koa ny fiadidiana ny tanàna.

Nilaza hanolo-tanana ny Ben’ny Tanàna sy ny Kaominina  koa Atoa Marc Ravalomanana amin’izao voina mahazo ireo mpivarotra etsy Isotry izao, ka hitondra ny voin-kava-mahatratra.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *