Socio-eco

MASOIVOHO AMERIKANA: Mitazona fahatokisan’ny mpifidy ny tamberinandraikitra


 « Tsara tantanana ny fanjakana rehefa misy ny tamberinandraikitra », hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara, Robert Yamate nandritra ny fampahafantarana tamin’ny ofisialy ny boky torolalana « SOSA » momba ny tamberinandraikitra natao ho an’ny olom-pirenena sy ny horonantsary  mitantara ny fanamby ataon’ny  tanora eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny tamberinandraikitra. Tanora 112 nahavita fiofanana ho tonga tomponandraikitra amin’ny sehatra rehetra ary hampihatra ny fototry ny tsara tantana dia ny tamberinandraikitra sy ny fangaraharana. Nambaran’ny Ambasadaoron’i Etazonia fa miankina  amin’ny fampiharana ny mangarahara izay miteraka tamberinandraikitra ny fampandrosoana ny firenena. Fototry ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra ny fisian’izany.

Namatsy vola ny tetikasa « ny tamberinandraikitra eto Madagasikara : ny  « théorie » mankany amin’ny fampiharana » ny Masoivoho Amerikana. Vola mitentina 250.000 dolara natontona tamin’izany. Nandray an-tanana ny tetikasa kosa ny « Centre Européen d’Appui Electoral » (ECES),  « Liberty 32 », « ONG Tolontsoa », « Center for Creative Leadership » (CCL).

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *