Sport

MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). “Nanome tosika ara-moraly ny mpilalao Malagasy ny fahamaroan’ny mpanohana “, hoy ny  mpikarakara  sady Tale ara-barotra ny WTCT, Mercédès RATSIRAHONANA.

Nambaran’ny solontenan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena , Rosa RAKOTOZAFY fa  fanantenana hampisondrotra ny  lanjan’ny  fanatanjahantena eto Madagasikara  ny fanohanana nataon’ny orinasa  China Road and  Bridge Corporation (CRBC), Star, Schneider Electric, Airtel Madagascar, ORATANA, VIMA, SE/CNLS sy ny maro tsy voatanisa.  Manao antso avo ny tenany amin’ny fanomezan-tanana amin’ny fampiroboroboana ireo taranja hafa .

Ankoatra ny federasionan’ny atletisma, manatitra ny fisaorana ho an’ny andrim-panjakana  toy ny Ministeran’ny tontolo iainana, ny Ministeran’ny fizahan-tany….nanampy tamin’ny fanatontosana ny hetsika ihany koa ny mpikarakara.

Niteraka fatiantoka

Nihemotra ny MIT andiany faha- 17 noho ny   fiparitahan’ny valan’aretina pesta teto Madagasikara.  Na dia teo aza izany, 1270 ny atleta nandray anjara tamin’ny hetsika raha 2000 no tanjona. Niteraka fantiantoka ny fisian’ny pesta.  Namerina nividy tapakila handehanan’ireo mpikatroka avy any ivelany ny mpikarakara. Teo ihany koa ny fanaovana fangatahana fahazoan-dalana   vaovao. Hanatsara ny fomba fiasa ny mpikarakara  amin’ny andiany manaraka.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *