Socio-eco

FITADIAVANA OLON-TIANA: Manomboka ny sabotsy 20 desambra 2025 ny fandaharana UP Fankatia ao amin’ny Startimes


Nitombo ny mpandray anjara amin’ny fandaharana UP FANKATIA ho an’ny andiany faharoa. Fandaharana (télé-réalité) hitadiavana olon-tiana, hitoriana fitiavana am-pahabemaso, mampifangaro ny fahasahiana ny UP FAKANTIA. Mampiavaka ny andiany faharoa ny fandraisana anjaran’ny teratany vahiny miteny Malagasy. Mandeha ao amin’ny UP TV, ao anatin’ny Startimes manomboka ny sabotsy 20 desambra 2025, amin’ny 7 ora sasany alina ny UP FANKATIA. Misy “épisode” 15 ny fandaharana. Any amin’ny farany volana martsa 2025 any vao ho tapitra. Tafiditra ao anatiny ny fetin’ny mpifankatia 14 febroary.

« Nitombo be ny mpandray anjara raha oharina tamin’ny heritaona. Nisy aza tsy tafiditra anatin’ny sivana nojerena satria nisy ny casting talohan’ny nanodinana ny fandaharana. 65 isa teo ny lehilahy nanao casting, nihoatra ny 90 ny vehivavy. Efa vita ny fanodinana ny fandaharana », hoy Haja Randria, Talen’ny chaine UP TV, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 17 desambra 2025, teny Andranobevava.

18 taona ka hatramin’ny 70 taona ny mpandray anjara. «Mampiavaka ny andiany faharoa dia nahasarika tanora lahy sy vavy marobe. Misy ihany koa ny olon-dehibe hatramin’ny 70 taona ary maromaro izy ireo. Betsaka ny mpifankatia tafavoaka », hoy Prisca Rakotoarimanana, mpanentana fandaharana.

Nambaran’i Florence Zhu, tale ara-barotry ny Startimes Madagasikara fa anisany nahitam-pahombiazana tany amin’ny firenena maro eto Afrika (Zambie, Kenya, Côte d’Ivoire) ny fandaharana momba fitiavana. « Ny fandefasana azy eto Madagasikara dia dingana lehibe ho fanatsarana contenu alefan’ny Startimes sy fanomezan-danja ny vokatra eto an-toerana », hoy izy.

Ao amin’ny Startimes irery no mandefa ny UP FANKATIA. Afaka manao réabonnement amin’ny fomba tsotra ny mpanjifa amin’ny alalan’ny Airtel Money, mpanohana ny fandaharana. « Manana tolotra ny Startimes ny 15 desamra ka hatramin’ny 15 janoary 2026:  misitraka ny bouquet CLASSIC na SUPER mandritra iray volana ny mpanjifan’ny bouquet BASIC sy SMART raha manampy 5000 Ariary mandritra réabonnement. Miampy 10 andro fanampiny kosa ny fahafahana manaraka ny Startimes ho an’ny mpanjifan’ny bouquet CLASSIC sy SUPER raha manao réabonnement roa volana », araka ny fanazavan’i Nantenaina Randrianarivo, lehiben’ny ekipan’ny serasera ao amin’ny Startimes.

Tohin’ny tantaran’ireo mpifankatia nivoaka tao amin’ny fandaharana

Nanamafy i Haja Randria fa nananosarotra ny nandresy lahatra ny mpandray anjara tamin’ny andiany voalohany. Efa misokatra tsikelikely kosa ny fandraisan’ny Malagasy izany tamin’ity andiany faharoa ity. « Sakana ny handeha hitady olontiana dia alefa amin’ny fahitalavitra.Eo ihany koa kolontsaina malagasy: mila mifampizaha toetra ,miaraka izao volana vao tokony hiaraka. Rehefa tena niaina ilay téléréalité dia sady misy tsiktsiky, misy fanentanana, hanihany, nefa ampahamatorana. Ny lehilahy nahita anjara, ny vehivavy nahita ny tiany », hoy izy.

Raha ho an’ny andiany voalohany, mpifankatia dimy (5) teo no mbola miaraka hatramin’izao. Ny iray tamin’izy ireo natao mariaz, iray volaana sy tapany taorian’ny fanodinana ny fandaharana, araka ny fanazavan’ny mpamokatra fandaharana hatrany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *