Socio-eco

FIKAMBANANA MAMELOMASO : Fanambarana mikasika ny fanorenana « colisee » ao anatirova


Ny fikambanana Mamelomaso dia niorina tamin’ny volana novambra 1995 tao aorinan’ny herisetra nahamay ny Rova, tsapa tokoa tamin’izany fa nisy adidy tsy voahefa tao. Tsy voahefa satria tsy tafita amin’ny taranaka fara-mandimby io vakoka iray lehibe io. Ny atao hoe Vakoka, tamin’ny andron’ny ntaolo, dia firavaka volafotsy miendrika rojo. Mitohitohy sady sarobidy ka raha lalinina kely ny hevitra fonosiny dia tsotra: Lova tsara sy mateza napetrak’ireo razantsika ho antsika ka tokony ampitaintsika amin’ny taranaka fara-mandimby Ny vakoka no andry mampifandray ny taloha sy ny ho avy ary ny ankehitriny. Adidintsika ny mikajy azy mba hisy ho lovain’ny taranaka indray. Tsy tompony isika fa Mpampita. Tandidomin-doza indray ny Rova ankehitriny ny ankizy teraka nanomboka tamin’ny 1995 dia tsy mba nahita an’izany anaty Rova izany. Nefa, ny Rovan’Antananarivo : rehareha, kanto, nanabe, mampitempo ny fo. Teo i Manjakamiadana mijoalajoala, tazana avy lavitra ka nanaitra ny mpiara-belona sy ny vahiny rehetra, teo ny fasan’ny mpanjaka izay mampianatra hatrany fa tsy olonolom-poana isika fa nisy fototra, teo ireo lapa maro nitahiry fitaovana sarobidy, teo koa ireo harena arkeolojika izay rakotry ny tany ary mbola hitondra fahalalàna tantara lehibe ho antsika. Ny zanantsika teraka manomboka 2020 indray dia “colisée” izany no lova ampitaina aminy. Satria tsy fanarenana io “Colisée” io fa fanorenana, mifanipaka sy mifandrafy amin’ny hasin’ny fasana sy trano nitoeran’ireo mpanjaka Merina nandritry ny 500 taona mahery. Ahoana no hafahantsika mijoro hanazava an’izany amin’ireo Taranaka? Manana zo ve isika mandrava , mamorona , manangana zava-baovao ao amin’ny Rova ? Tsia tompoko, ny adidintsika dia ny mikajy azy mba tsy ho ravan’ny taona izy. Ny fiarovana azy dia ao anatin’ny fanajàna tanteraka ny endriny teo aloha sy ny soatoavina vohiziny. Very ny maha vavolombelon’ny Tantara azy raha ovaina izy. Tsy tompony isika fa ireo nanorina an’ireo no tompony. Tsy anjarantsika no mitsara izay nataony. Isika mpiara-belona ankehitriny koa hamela vakoka vaovao ho an’ny taranaka. Ny trano aorintsika amin’izao fotoana izao izay manana endrika miavaka na manan-danja manokana no ho raiketin’ny tantara rampitso. Dia anjaran’ireo mpandimby antsika indray no miaro izany. Izay no atao hoe Vakoka. Manoloana ny loza mihatra amin’i Manjakamiadana izao dia mahatsiaro tena ny Mamelomaso fa ny hevitra fototry ny Vakoka mihitsy no tsy tsapan’ny maro, hany ka miverimberina foana ny fanimbàna azy. Tsy io Rova io irery fa ireo vakoka manerana an’i Madagasikara koa. Tsy fandrosoana ny manangana “colisée” ao anatin’ny Rova. Malalaka ny tanintsika ary maro ny toerana azo hanangana zavatra toy ireny. Aoka ny vakoka hijanona ho vakoka, mizaka ny Hasiny sy ny Tantarany Nandritry izay 25 taona nisiany izay dia nilofotra nanarina tsangambakoka maro ny Mamelomaso: Vavahadin’ny rovan’Ambohimanga miisa 6, fatsakàna, lalankely. Tao koa ny fasan’ny Mpanjaka Rangitatrimovavy teny Imerimanjaka, ny fitomiandalana eny Alasora … Niezaka hatrany ny nanaja ny haitao nentin-dRazana. Mahatsiaro tena izy ankehitriny fa manan-jo sy adidy manao izao Fanambaràna izao. Tandremo lahy sao tsy mahazaka ny vesatry ny tsiny. “atsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala”.

 Antananarivo 28 mey 2020

 Masina ny tanindrazana

 Rtoa RABEJAONA Nosy,  Filohan’ny fikambanana Mamelomaso


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *