Socio-eco

MADA VISION : Miverina ny fankafizan’ny mpanjifa ny Grande Braderie de Madagascar


« Nahita ny entana tadiaviny amin’ny vidiny mirary ny mpitsidika », hoy ny mpikarakara ny Grande Braderie de Madagascar, Andrianasolo Hery nanazava ny akon’ny fanokafana ny hetsika ny 26 mey 2022. Raha niato kely ny Grande Braderie tao anatin’ny roa taona dia niverina indray izany. « Tsikaritra nandritra ny andro voalohany fa miverina ny fankafizan’ny mpanjifa ny Grande Braderie raha toa ka nijanona ny hetsika tao anatin’ny roa taona », hoy izy. Mampihatra ny fihenambidy 15 %  amin’ireo entana amidy eny an-toerana ireo mpivarotra. Fepetra ahafahana mandray anjara amin’ny hetsika ara-barotra rahateo ny fanaovana fihenambidy.  » Miezaka mampidina ny vidin’entana ny mpivarotra fa tsy mionona amin’ny fihenambidy 15 % », hoy hatrany  Randrianasolo Hery. Nambarany fa hita eny an-toerana avokoa ireo entana ilaina amin’ny fiainanan andavanandro toy akanjo, kojakojan-dakozia, sakafo, vokatra natoraly, taozavatra…. Ho mora arak’izany ny fitadiavana fanomezana ho an’i Neny, hoy izy. Marihina fa ny alahady 29 mey 2022 vao hifarana ny Grande Braderie de Madagascar.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *