politique

MANANDAFY RAKOTONIRINA : Hifampitady amin’ny fifidianana ny TIM sy ny HVM


Délire Madagascar: Manandafy Rakotonirina, niteraka resabe ankehitriny ny resaka “corruption”eo anivon’ny Mpitsara sy ny Amosatera. Inona no azo hambara momba io tompoko?

Manandafy Rakotonirina: “Izaho aloha mihevitra fa efa mandroso ny fipetraky ny resaka rehefa ny Grands Corps de l’Etat sahala amin’ny Magistrats sy ny Administrateurs no manentana ny fanadiovana ao anatiny. Hatramin’izao aloha mbola mifampiampanga hoe Ranona no manao fa tsy izahay. Fa ny tokony ho izy dia miainga avy ao amin-dry zareo mihitsy ny hialana amin’ny corruption. Raha ry zareo no manaiky manenjika izay oloha corrompus rehetra dia mandeha kokoa ny raharaham-panjakana.”

DM: Misy milaza ny fanovana Governemanta nataon-dRajaonarimampianina fa Governemanta hiatrika ady amin’ny fifidianana. Mitombina ve izay tompoko?

MR: “Mitombina ange izany é! Ohatra izao olona toa an-dRavatomanga, Ravatomanga Roland no resahako: Izy raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina dia efa tao izy. Tsy niala mihitsy, na tsy nesorina no tena marina. Ary mifanandrify amin’ny hevitra navoakan-dRavalomanana izay hoe isika manohana an-dRajaonarimampianina. Amin’izao fotoana izao, efa tsy dia izay intsony ilay izy. Efa fifaninanana no mitranga, satria efa matetitetika no manao fanambarana mifandona ny Commune sy ny Goveremanta, amin’ny zavatra atao eto Antananarivo izany. Efa mandeha ny fisarahan-dalana eo amin’ny TIM sy ny HVM amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana ho avy.

Anterivava nataon-dRazaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *