Socio-eco

LIONS CLUB INTERNATIONAL – DISTRICT 417: Mifanaraka amin’ny zava-misy ny fanampiana ny maha olona


Voafidy ho governoran’ny Lions Club International, District 417 Ny Fanja Rakotomalala. Nandritra ny kongresin’ny Lions Club International natao tany Milan tamin’ity volana jolay 2019 ity no ahafahany mitàna io andraikitra io ao anatin’ny taom-piasàna 2019-2020. Feno 20 taona no naha mpikambana azy tao amin’ny Lions Club ary efa nitàna andraikitra maro teo anivon’ny fikambanana izy.  Fantatra amin’ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara ihany koa ny tenany ary filoha tale jeneraly ny orinasa Rio Tinto QMM. Fanamby napetraky ny Governora Ny Fanja Rakotomalala ny hoe:  “Ho fanavaozana ny fahatsaram-panahy” (Pour une renaissance de la générosité).  Raha ny fomba fijerin’ny Lions Club International dia mifototra amin’ny fitiavana  aseho amin’ny alalan’ny fanomezan-tanana  ny fahatsaram-panahy. “Efa naneho izany hatsaràm-panahy izany  tamin’ny mpiara-belona  nandritra ny zato taona ny fikambanana.  Mivoatra hatrany anefa ny filàn’ny fiarahamonina manerana an’izao tontolo izao ka mila havaozina mifanaraka amin’ny zava-misy io fahatsaram-panahy io”, hoy Ny Fanja Rakotomalala nandritra ny lanonam-piarahabana azy teto Madagasikara, ny 13 jolay 2019.

Laharam-pamehan’ny Governora mandritra ny fotoam-piasàny ny fanampiana olona  miisa 1.2000.000 eo anivon’ny District 417 ka ny 20 % amin’ireo dia  tanora latsaky 18 taona. Sahan’asa 3300 mifantoka amin’ny sehatra dimy: ady amin’ny hanoanana, ny diabeta, ny homamiadana mpahazo ny ankizy, ny ady amin’ny  fahajambana azo sorohana, ny tontolo iainana no hotanterahana. Santionany amin’izany ny fanatanterahana ny tetikasa “banky ara-tsakafo” hiadiana amin’ny hanoanana, ny fametrahana  ivon-toerana  ho an’ny fanabeazana, fitiliana sy fanarahamaso ary fitsaboana ny diabeta,  ny fitohizan’ny tetikasam-pampandrosoana amin’ny lafiny fitsaboana ny maso eto Madagasikara, ny fandrasaina an-tanana an’ireo tratry ny homamiadana mpahazo ny ankizy, ny fanomezan-tanana amin’ny fikajiana ny zava-boahary mba hanatsarana kalitaon’ny fahavelomana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo mampidi-bola sy maharitra ho an’ny fiarahamonina… Marihina fa mivondrona ao anatin’ny  District 417 i Madagasikara, Maurice, Mayotte, Comores, La Réunion. Klioba Lions 70 sy klioba Léos 37 no mandrafitra azy izay ahitana mpikambana miisa 1690. 42 ny klioba eto Madagasikara, 13 any amin’ny Nosy Maurice, 12 any La Réunion, 2 Mayotte ary iray any Djibouti.

Nirina R.


One comment on “LIONS CLUB INTERNATIONAL – DISTRICT 417: Mifanaraka amin’ny zava-misy ny fanampiana ny maha olona

  1. Pingback: LIONS CLUB INTERNATIONAL – DISTRICT 417: Mifanaraka amin’ny zava-misy ny fanampiana ny maha olona - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *