Socio-eco

LIONS CLUB – DISTRICT 417: Mampiantrano ny kongresy faha-4 i Madagasikara


Tontosaina nanomboka androany 05 Mey 2022 ka hatramin’ny 07 Mey 2022 eto Antananarivo ny kongresy ataon’ny Lions Club International – Distrika 417. Mpikambana Lions sy Léo miisa 210 no mandray anjara amin’ity kongresy andiany fahaefatra ity. Nahatonga solontena avokoa ireo firenena dimy (05) mandrafitra ny distrika 417 dia i Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Mayotte ary Rodrigue. Mandritra ny kongresy no hanaovana jery todika ny zava-bita sy  hamolavolana ny tetikady hanatsarana ny fikambanana sy ny hetsika hanampiana ny mpiara-belona. Araka ny fanazavan’ny Governoran’ny Lions CMJP Chantal Dixneuf, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny andro voalohany tamin’ny kongresy  fa ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fifidianana izay ho governoran’ny Distrika 417 ho an’ny taom-piasana manaraka.

Nambaran’ny kaomiseran’ny kongresy, Randrianaivojaona Rija fa fihaonana isan-taona karakarain’ny fikambanana izy ity ary mifandimby ny firenena mandray  azy. Efa-taona lasa no nisy ny kongresy farany satria niato izany noho antony maro samihafa toy valanaretina ny Covid-19. Araka ny fanazavany dia sehatr’asa maro no ho resahana mandritra ny fotoam-pivoriana. Anisan’izany ny atrikasa fiofanana sy fizarana traikefa  satria “mila fianarana ny asa fanaovan-tsoa”, hoy izy. Nohamafisin-Ramatoa Chantal Dixneuf fa zava-dehibe ny fiofanana mba ahalalana bebe kokoa izany atao hoe miasa ho an’ny hafa izany satria anjara asan’ny fikambanana ny miasa ho an’ny mpiara-belona. “Mila fanampiana ny vahoaka ary eto izahay hitondra izany fanampiana izany”, hoy izy. Nampatsiahy Randrianaivojaona Rija fa fotoana hampafantarana fa fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa ny Lions Club ny fivoriana tahaka izao.  Raha ny teto Madagasikara dia asa sosialy goavana natao vao tsy ela akory ny fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo fianakaviana any Atsimo tratrin’ny kere, ny fanampiana ireo traboina noho ny rivo-doza Batsirai. Marihina fa ho zaraina fankasitrahana ny mpikambana nahavita soa sy mendrika nandritra ny taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *