Socio-eco

LAPAN’ANDAFIAVARATRA : Azo tsidihan’ny daholobe


Hisokatra ho an’ny daholobe ny mozea an’ny Lapan’Andafiavaratra. Fotoana voafetra ihany anefa izany. Ny 21 jona ka hatramin’ny faran’ny volana septambra 2019 no hampirantiana ireo vakoka sisa tsy may tao amin’ny Rovan’Antananarivo, notehirizina tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola ho avy ny fotoana hisokafan’ny mozea, izay tsy hisy fiatoana.

Vokatry  ny fiofanana RE-ORG nataon’ireo mpitahiry vakoka 26 avy amin’ny mozea 12 eto Madagasikara ity fampirantiana ity. Fandaharan’asa ao anatin’ny tetikasa « fitahirizana sy fanomezan-danja ireo vakoka sisa tsy may tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana, nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra » ity fampiofanana momba fandaminana ireo vakoka  ho hampirantiana. Ny masoivohon’ny Japon  no mamatsy vola ny tetikasa ary ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina miaraka amin’ny UNESCO, ny ICOM (Conseil International des musées) eto Madagasikara ary ny ICCROM (Centre International d’études de conservation et de restauration des biens culturels) no misahana azy.

Ny zoma 21 jona 2019 no hotolorana  mari-maripahaizana ireo mpiofana tamin’ny RE-ORG. Amin’io fotoana io ihany koa no hanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Lapan’Andafiavaratra nohavaozina ary ny fisokafan’ny fampirantiana.

Nirina R.


One comment on “LAPAN’ANDAFIAVARATRA : Azo tsidihan’ny daholobe

  1. Pingback: LAPAN’ANDAFIAVARATRA : Azo tsidihan’ny daholobe - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *